FIANGONAN' I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA
FJKM MONTROUGE PARIS (Association Cultuelle Loi 1905) Jumelée à la FJKM RASALAMA MARITIORA AMBOHIPOTSY, à la FJKM AMBONINAMPAMARINANA, à la FJKM AMBATOMARO, à la FJKM AMBOHIJAFY, à la FJKM ALASORA, à la FJKM AMBOHITANTELY, à la FJKM AMBOHITSIMELOKA, à la FJKM AMBATOMITSANGANA FANANTENANANA, à la FJKM AMBATOTOKANA FITIAVANA, à la FJKM ANTSAMPANDRANO FIDERANA, à la FJKM MANANDRIANA AVADRADRANO, à la FJKM IFALIMANJAKA FILADELFIA, à la FJKM ANKADIMANGA MANJAKANDRIANA
SLK SYNODAMPARITANY 08 FJKM ANTSIRABE FILADELFIA
Au Temple de l'Eglise Réformée de France (E.R.F.) - 64, rue Maurice Arnoux - 92120 Montrouge
http://fjkm-montrouge.fr ALAHADY 06 NOVAMBRA 2011 MAMPAHATSIARO ANTSIKA NY TOMPO, NY FANASAN’NY TOMPO « Ity no tenako ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin'ny ràko; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro ianareo. » ( 1 Korintiana 11,24-25)
FEON-ORGA FIARAHABANA APOSTOLIKA FISAORANA SY FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA Sal 117 – Miderà an’i Jehovah ry firenena rehetra: miderà Azy ry olona rehetra fa lehibe ny famindrampony amintsika; ary mandrakizay ny fahamarinan’i Jehovah. Haleloia ! HIRA : 167/ 1,3 – MIDERA NY ANARANAO !
VAVAKA FANAMBARANA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA Sambatra ny mahitsy lalana/dia izay mandeha araka ny lalàn’i Jehovah/ Sambatra izay mitandrina ny teny vavolombelony/ ka mitady azy amin’ny fony rehetra. HIRA : 240 / 3 – MBA SORATY AO AM-PONAY ! FIAIKEN-KELOKA AMIN’ANDRIAMANITRA HIRA FANAMPINY N° 28 EFA VOADINIKAO ANDRIAMANITRA O !
FAMELAN-KELOKA Sambatra ny olona izay voavela ny helony/sy voasarona ny fahotany/ Sambatra ny olona izay tsy isain’i Jehovah heloka,/ary tsy misy fitaka ny fanahiny. Amena. HIRA : 514 / 2,4 FANEKEM-PINOANA KRISTIANA N°4 HIRA FANAMPINY N° 3 JESOA VATO FEHIZORO ! FEON’ORGA- STKM - SEKOLY ALAHADY RAHARAHAM-PIANGONANA RAKITRA -HIRA :432/1,2,3 FANOLORANA -HIRA :441/3 HIRA FF 1 / 1 – MITSANGANA HIANAO RY MINO ! FAMAKIANA NY SORATRA MASINA: Eksodosy 12,21-29; Lioka 22,7-20;1Korintiana 11,23-34
Ray masina ô, manamasina anay amin’ny fahamarinana, ny teninao no fahamarinana. HIRA : 262 / 4 -TARIHONAO NY FO !
TORITENY FEON’ORGA - STKM HIRA : 354/ 1,2,3
FANASAN’NY TOMPO HIRA : Antema 1 – Masina, Masina, Masina ! HIRA : 259 / 1,3,4 RAKI-PISAORANA – HIRA FANAMPINY -18/ 1,2,3 AFAFAZO
TSODRANO HIRA FANAMPINY – 41 JESOA NO MPANAVOTRA Amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina . Amena .
FEON'ORGA
167 - Midera ny Anaranao (1-3) 1. Midera ny Anaranao 'Zahay, ry Tompo ô! Ka hira no ventesinay Hoe: haja, saotra, hery, Mba raiso ho Anao. 3. Endrey! Ny fitiavanao Endrey! Ny herinao, Tra-pamonjena izahay, Ka haja, saotra, hery Mba raiso ho Anao.
240 - Alahady, andro tsara, (3) 3. Mba soraty ao am-ponay, Tompo ô! Ny didinao, Hiasanay saina tsara Eto anatrehanao, Mba avia, ry Jeso Tompo! Tomoera aminay, Hitandremanay ny andro Izay natokana ho Anao.
FF 28 - Efa voadinikao Andriamanitra ô 1. Efa voadinikao Andriamanitra ô! Ny fiainanay zanak’olombelona Tsy misy ‘zay miafina amiko tsy hitanao Ianao no manendry izany Andriamanitra ô! 2. Indro ny fikasako voalahatrao Ny fiainako rehetra dia Aminao Ny fahotana vitako taminao Mangataka famelana Andriamanitra ô! 3. Aza avela aho hangaihay Fa ampioreno mafy ny finoako Ka na mamely ahy ny fakampanahy Dia matoky Anao ny fanahiko. 4. Ny nofoko anie malemy no sady kely Torovana tsy ampy hery ka manahy Meteza Ianao anio Andriamanitra o! Ho hery sy toky ho ahy mandrakizay. 5. Ianao no vatolampy sy fiarovako Ny herinao no indro izorako Ny foko ao anatiko ao efa fantatrao Dia raiso aho ho zanakao Andriamanitra ô!
354 - Ny Mpamonjy no mitady fihavanana aminao (1-2-3) FF 3 - Jeso Vato fehizoro 1. Jeso vato fehizoro Afa- tahotra ny fo Raha Ianao no mampijoro Sy iankinana tokoa. Vato fiorenanay Jeso Zanaky ny Avo Vato fialofanay Amin- dratsy te handavo. Fiv : Vato azo itokiana Sady tsy mba mivena Afaka ny fahoriana Raha ianao no ekena. Jesoa Tompo irery No 'lay vato tsy mifindra Jeso Tompo irery No ' lay fehizoro indrindra. 2. Jeso vato fehizoro Mampisinda ahiahy Fa mandresy horohoro Manatanjaka fanahy. O, ry vato tsara paika ’Zay mandray Anao am- po Dia mijoro tsy miraika N' inon' inona manjo. Vato azo itokiana sns...
432 - Mandra-piavin'ny Tompo (1-2-3) 1. Mandra-piavin'ny Tompo mivavaha, Ny teny tsara nomeny tadidio : Ny adidinao , tontosay sy efao Mijery ny ataonao ry Ray. 2. Mandra-piavin'ny Tompo miasà Ampitomboy ireo talenta azonao, Vola, fahaizana, aina, hery koa No anompoy ny Tompo Tsitoha. Raha mpanompo tsara hianao, sns... 3.Moa tianao va Ilay Mpamonjy Tompo soa Ny rany anie nanavotany anao ! Ny hafany tanteraho sy hajao Valio ny fanavotany anao. Raha mpanompo tsara hianao, sns... Fiv : Raha mpanompo tsara hianao, He, ny Tompo faly aminao, Koa tanteraho ireo adidinao, Mba ho mpanompo mahasoa.
514 - Ry Jehovah Tomponay! (24) 2. Lehibe ny indrafo; Iza re no nanampo Famonjena taminao? Kanjo azonao izao? Zanahary, sns... 4. Jeso ô, Mpamonjy soa Sy Mpamindra fo tokoa! Avy ny navotanao Ka midera Anao izao: Zanahary, sns... Fiv : Zanahary, Aba, Ray, Jeso Kristy, Havanay.
441 - Raiso aho, Tompo ô (3) 3. Raiso ny fahaizako Ento mba hanaja Anao; Raiso koa ny volako Ho Anao tokoa izao.
FF 1 - Mitsangana ianao ry mino (1) 1. Mitsangàna ianao ry mino Fa ilain’ ny taninao Ny finoanao ifikiro Mivonòna ianao Ny ady anatrehanao tsy mora Tena sarotra tokoa Nefa toy ‘ lay tao Edoma ‘Lay mahery momba anao. Fiv : Mbola ho avy ny maraina (‘lay maraina) ‘Zay mitondra hery vao Ry mpiambina miarena Ka ingao ny zovinao Ambarao fa ny aizina Indro efa lasa re Efa tonga ny maraina Hisy hazavana be.
1. Ny Mpamonjy no mitady Fihavanana aminao Izy no manambitamby Hanatonanao izao; Sao manjary fandatsana Ny fifonana aminao, Ka ny mety mihavana Amin'ny Mpamonjy izao. 2. Dieny misy hafanana Ka mangoraka ny fo, Manatòna ny Mpamonjy Sao dia mangatsiaka indray. lzao no andro famonjena, Ka vonjeo sao neninao; Ry mpanota, miverena Izao ankehitriny izao. 3. Sao ity no toriteny Fara-fanasana anao; Sao anio no fotoana Fara-ahavelomanao; Ka aza mba misalasala, Sao manjary neninao, Raho tsy mety mahalala Izao fotoana mety izao.
FF 18 - Afafazo (1-2-3) 1. Raha tonga ny andro izay Itsarana anao Amin'izay fotoana izay Adinina ianao Ka hiatrika Ilay Mpanjakanao Efa vonona ve ianao ?(Ary koa) Efa ampy ve 'Zay anananao Hiatrehanao ny Tomponao 2. Raha tonga ny andro izay Itsarana anao Amin'izay fotoana izay Adinina ianao Efa ampy ve 'Zay nafafinao Mba ho voa mendrika tokoa ?(Ary koa) Efa tontosa ve Ny anjaranao Tsy hahameloka anao rahatrizay Fihatsarambelatsihy, sns... 3. Raha ho avy ny fotoana Hodianao Amim-boninahitra Ho ao an-tranon-dRay Tsy hatahotra Na hangovitra lanao, raha madio fo (Ary koa) Satroboninahitra Tsy mba Io No an'ny mpanompo mahasoa Fihatsarambelatsihy, sns... Fiv : Fihatsarambelatsihy Aok'izay dieny ety Fahafaham-baraka ho anao Ka ialao Raha toa tianao Ho voavonjy ianao Afafazo 'zay voa mendrika (Mendrika)
FF 41 - Jesoa no Mpanavotra O! iza, iza? Iza no hamonjy ahy Iza, iza no hamonjy ahy re ? Fa rerak'aho e Fa dia reraka Milonjy entam-pahotana Fahotana be O! manatona Manatona an'i Jesoa Fa Izy ihany Izy no hamonjy anao Fa noreseny Efa noreseny na Ny fasan'aza dia Ny fahafatesana ! Ny fasan'aza ! Efa noreseny izao Ny fahafatesana 'lay fahavalonao Ka mba mifalia ! Mifalia ianao Fa Jesoa Tompo no Mpanavotra anao Ry Jesoa Tompo ô ! Ry Jesosy Tompo ô ! Mba raiso re ny foko Ho anao izao ! Fa famonjena fanavotandehibe Sy avotr'aina koa No he atolotrao Fa novonoina ! Novonoina Ianao Hisolo voina Mba hisolo voina anay Fa noresenao Efa noresenao na Ny fasan'aza dia Ny fahafatesana Ny fasan'aza ! Efa noreseny izao Ny fahafatesana 'lay fahavalonao Ka mifaly re ! Ka mifaly izahay Fa Jesoa Tompo no Mpanavotra anay !
262 - Indreto izahay (4) 4. Tarihonao ny fo Ry Jeso ô! Ho tia sy hankatò Ny didinao Ka tsy ny sitrakay Fa ny Anao, Jeso No aoka ho maminay Ry Tompo ô!
259 - Ny latabatrao ry Jeso! (1-34) 1. Ny latabatrao, ry Jeso! Dia atrehinay izao; Ny fanahinay vokiso Amin'ny fitianao. 3. Jeso ô! ny ranao soa No nataonao avotray, Mba hanafaka avokoa Izay tsy mahadio anay. 4. Manomeza mofon'aina, Tompo ô! ho tanjakay; Mihainoa ny mitaraina Mamalia ny hatakay