fiangonan' i jesoa kristy eto madagasikara fjkm montrouge paris

2. Jeso vato fehizoro. Mampisinda ahiahy. Fa mandresy horohoro. Manatanjaka fanahy. 0, ry vato tsara paika. 'Zay mandray Anao am- po. Dia mijoro tsy miraika.
304KB taille 22 téléchargements 191 vues
FIANGONAN' I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA

FJKM MONTROUGE PARIS (Association Cultuelle Loi 1905) Jumelée à la FJKM RASALAMA MARITIORA AMBOHIPOTSY, à la FJKM AMBONINAMPAMARINANA, à la FJKM AMBATOMARO, à la FJKM AMBOHIJAFY, à la FJKM ALASORA, à la FJKM AMBOHITANTELY, à la FJKM AMBOHITSIMELOKA, à la FJKM AMBATOMITSANGANA FANANTENANANA, à la FJKM AMBATOTOKANA FITIAVANA, à la FJKM ANTSAMPANDRANO FIDERANA, à la FJKM MANANDRIANA AVADRADRANO, à la FJKM IFALIMANJAKA FILADELFIA, à la FJKM ANKADIMANGA MANJAKANDRIANA

SLK SYNODAMPARITANY 08 FJKM ANTSIRABE FILADELFIA

Au Temple de l'Eglise Réformée de France (E.R.F.) - 64, rue Maurice Arnoux - 92120 Montrouge

http://www.fjkm-montrouge.fr ALAHADY 05 MEY 2013

MAMPANANTENA HERY NY TOMPO ! ANDRIAMANITRA NO HERY SY AMPINGA HO ANTSIKA ! “ Inona ary no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika ? ( Romana 8.31)

FEON'ORGA FIARAHABANA APOSTOLIKA

FISAORANA SY FIDERANA Salamo 117 – Miderà an’i Jehovah ry firenena rehetra ;miderà Azy ry olona rehetra.Fa lehibe ny famindrampony amintsika ; ary mandrakizay ny fahamarinan’i Jehovah. Haleloia ! HIRA : 167 /1,3 – MIDERA NY ANARANAO ! VAVAKA FANAMBARANA NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA . Sambatra ny mahitsy làlana/ dia izay mandeha araka ny lalàn'i Jehovah/ Sambatra izay mitandrina ny teny vavolombelony/ ka mitady Azy amin'ny fony rehetra. Amen. HIRA : 203 / 3 – FANAHY MPANAZAVA ! FIAIKEN-KELOKA AMIN'ANDRIAMANITRA HIRA FF 12/1,2 – AM-PELATANANAO RY RAIKO ! FAMELAN-KELOKA ATOLOTR'ANDRIAMANITRA Sambatra ny olona izay voavela ny helony/sy voasarona ny fahotany.Sambatra ny olona/izay tsy isain'i Jehovah heloka/ary tsy misy fitaka ny fanahiny.Amen. HIRA : 170 / 2,3 – MAHERY NY FITIAVANAO ! FANAMBARANA NY FINOANA – N°1 HIRA FF 3/1,2 – JESO VATO FEHIZORO ! FEON'ORGA

HIRA STKM

HIRA : 461/1,5AOKA HO AN’ANDRIAMANITRA !-FAMANGIANA MANJO – HIRA:461/6 RAHARAHAM-PIANGONANA RAKITRA – HIRA FF 24/1,2 MAHEREZA NY TOMPO MOMBA ANAO ! Fanolorana ny Rakitra – HIRA:512/5 HIRA : 210/1,5 VAVAKA FAMAKIANA NY SORATRA MASINA: Salamo 46.1-7; Jaona 1.9-13; 2 Timoty 2.1-7. Ray ô, manamasina anay amin'ny fahamarinana, ny Teninao no fahamarinana. Amen.

HIRA :203 /2,3 –RY ZOKINAY MALALA ! TORITENY FEON'ORGA

HIRA STKM

FANASAN'NY TOMPO HIRA : 259/1,5 – NY LATABATRAO RY TOMPO ! VAVAKA FANOMBOHANA HIRA ANTEMA 1 : Masina ! Masina! Masina ! TENY FANORENANA – FAHATSIAROVANA HIRA : 543/ 1 – MIHOBY NY FANAHIKO ! VAVAKA-FANAMASINANA-FANASANA FANDRAISANA -FEON'ORGA VAVAKA FISAORANA

-

HIRA FF 22 – TSY MENDRIKA AHY !RAKI-PISAORANA TSODRANO HIRA FF 26 /1,3 – JESOSY REHAREHAKO ! Amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amen.

FEON'ORGA

167 - Midera ny Anaranao (1-3) 1. Midera ny Anaranao 'Zahay, ry Tompo ô! Ka hira no ventesinay Hoe: haja, saotra, hery, Mba raiso ho Anao. 3. Endrey! Ny fitiavanao Endrey! Ny herinao, Tra-pamonjena izahay, Ka haja, saotra, hery Mba raiso ho Anao.

203 - Ry Rainay be fitia (2-3) 2. Ry Zokinay malala! Ry Jeso havanay! Toroy mba hahalala Ny mety izahay Ny miaraka aminao re, Ry Jeso Tompo soa, No mahasoa ny saina Ny fo, fanahy koa. 3. Fanahy Mpanazava Sy Mpanadio ny fo! Tomoera lalandava, Monena ao am-po Koa dia ampidino Ny hasoavanao Ovay sy hamasino Ny toetray izao

170 - Ry Jeso ny fitiavanao no ifalianay (2-3) 2. Mahery ny fitiavanao, Ka itokianay; Izay mikambana aminao Dia tsy hangaihay. Mba raisonao, sns... 3. Ambony ny fitiavanao, Ka tsy mba takatray; Kanefa noho ny herinao, Hiezaka izahay. Mba raisonao, sns... Fiv : Mba raisonao re Ny saotra aterinay izao. Ho fanajana Anao Mpamonjy tia.

FF 3 - Jeso Vato fehizoro 1. Jeso vato fehizoro Afa- tahotra ny fo Raha Ianao no mampijoro Sy iankinana tokoa. Vato fiorenanay Jeso Zanaky ny Avo Vato fialofanay Amin- dratsy te handavo. Fiv : Vato azo itokiana Sady tsy mba mivena Afaka ny fahoriana Raha ianao no ekena. Jesoa Tompo irery No 'lay vato tsy mifindra Jeso Tompo irery No ' lay fehizoro indrindra. 2. Jeso vato fehizoro Mampisinda ahiahy Fa mandresy horohoro Manatanjaka fanahy. O, ry vato tsara paika ’Zay mandray Anao am- po Dia mijoro tsy miraika N' inon' inona manjo. Vato azo itokiana sns...

461 - Aoka ho an'Andriamanitra (1-2-34-5-6) 1. Aoka ho an'Andriamanitra Ny fanendrena ny lalanao. Fa hovimbininy hianao Amin'ny lalan-tsarotra ; Fa toky tsy mamitaka Ny tenin'Andriamanitra. 2. Fa inona no azonao Amin'ny fiahiana ? Tsy afaka ory hianao Noho ny fisentoana ; Na be herehina hianao, Ho be ny alahelonao. 3. Lefero kely, maneke Izay sitrak'Andriamanitra, Ny zavatra tinendriny Tsy maintsy mahasoa anao ; Isika nofinidiny, Ka tsy ho foiny indray. 4. Fa fantatr'Andriamanitra Izay andro hifaliana Isika no hodioviny Amin'ny fahoriana: Tsy maintsy hofantenana Vao afa-pahoriana. 5.Dia aza atao fa hianao Afoin'Andriamanitra ; Fa Izy dia mananatra Ny zaza izay tiany, Na dia mba manomana azy Handova ny an-danitra. 6. Misaora ny Anarany, Ka aza ketraka hianao Fa ho tanteraka aminao Ny soa lazain'ny Teniny ; Fa toky tsy mamitaka Ny Tenin'Andriamanitra.

FF 24 - Mahereza ! Ny Tompo momba anao 1. Miainga, mazotoa, Mikeleza aina koa Mivavaha, mivavaha, Ho an'izao tontolo izao Mijoroa, mitoria, Mamafaza Teny Soa Fa ny Tompo be fitia No manohana anao Sarotra ny lalanao Kanefa matokia tokoa Andrandrao ny masonao Fa mbola ao ny Tompo soa Izy no aminao Ka hampandresy izao 0! mahereza fa ny Tompo Momba anao 2. Mandrosoa, miasà, Tano ny finoanao Aza mba matahotra Na manahinahy izao Miadia, mitafia Ny firaisan-tsaina soa Fa ny fahavalonao Dia handositra tokoa Aza kivikivy foana Fa ny Tomponao dia ao Mampahery lalandava Ary koa tsy mba mandao Izy no aminao Ka hampandresy anao 0 ! mahereza fa ny Tompo Momba anao

512 - He! matoky aho, Tompo (5) 5. Jeso Tompo! avy aho, Avy hankalaza Anao; Raisonao re izay omeko: Vola, tena, aina koa. sns... Fiv : He!matoky aho, Tompo, Azoko ny teninao; Teny soa mahafaly No omenao ahy izao.

210 - Zava-tsoa tokoa ny fitsipikao (1-5) 1. Zava-tsoa tokoa ny fitsipikao; Tompo Andriamanitra ô! Teny mahasoa, aina, hery koa Mba ho an'izay manoa. 5. Ry Jesosy ô, Mpampianatray! Maminay ny teninao; Taomy izahay, mba hahaizanay Hankato ny didinao Iravoanay sns... Fiv : (Feo voalohany) Iravoanay Fa harena be (Feo faharoa) Soa tsy manam-paharoa Ny fitsipikao Iravoanay fa harena be Sarobidy tsy hafoy Izany didinao (Feo rehetra) Famonjena ho an'izay mandre

203 - Ry Rainay be fitia (2-3) 2. Ry Zokinay malala! Ry Jeso havanay! Toroy mba hahalala Ny mety izahay Ny miaraka aminao re, Ry Jeso Tompo soa, No mahasoa ny saina Ny fo, fanahy koa. 3. Fanahy Mpanazava Sy Mpanadio ny fo! Tomoera lalandava, Monena ao am-po Koa dia ampidino Ny hasoavanao Ovay sy hamasino Ny toetray izao

259 - Ny latabatrao ry Jeso! (1-5) 1. Ny latabatrao, ry Jeso! Dia atrehinay izao; Ny fanahinay vokiso Amin'ny fitianao. 5. Ny fanahinay ry Tompo! Raiso, fa atolotray; Faly izahay hanompo Sy hanao ny sitrakao.

AN 1 - Masina, Masina Masina, Masina Jehovah Tompo! Feno ny voninahitrao Izao rehetra izao, ry Tompo ô! Amena.

543 - Mihoby ny fanahiko (1) 1. Mihoby ny fanahiko, Fa voavonjy izao; Ny ratran'ny Mpamonjiko, No misy aim-baovao.

Fiv : Ny ran'i Jesosy, No tena avotro, Ka sambatra aho Sy tretrika am-po.

FF 22 - Tsy mendrika ahy Tsy mendrika ahy mpanompo Ny atao hoe " zanakao " Kanefa lanao, ry Tompo No niantso ahy izao Izay manatona Ahy Tsy ho laviko, hoy lanao Dia tamy aho ka sahy Nanatona anao Ianao no Madio (Mba diovy aho re) Ianao no Marina (Mba hamarino aho re) Ianao no Masina (Mba hamasino aho re) Tsy mendrika hitsimpona Ny latsaka amin'ny latabatrao aho Kanefa, hoy lanao : "Izay manatona Ahy Tsy ho laviko mihitsy" Noho ny teninao, noho ny teninao Dia sahiko ny manatona Ianao no Madio (Mba diovy aho re) lanao no Marina (Mba hamarino aho re) Ianao no Masina (Mba hamasino aho re) Mba diovy aho re Hamarino aho re Mba diovy aho re Mba hamarino re (Hamarino aho re) Mba hamasino re (Hamasino aho re) Mba diovy Hamarino Hamasino re.

FF 26 - Jesosy reharehako 1- Tsy misy reharehako Afa-tsy Ianao, Jesosy ô ! Anao ny hery, Anao ny haja Sy Voninahitra Ny fasana sy ny fiainan-tsy hita Indro efa resinao Izao tontolo izao dia nahita Fa efa nitsangana Ianao Sambatra aho, Jeso ô, Manana Anao izay Tompon’ny hery. Sambatra aho, Jeso ô, Miankina eo an-tratranao Ampy ahy ny Fitiavanao Ampy ahy ny finoako Anao. Raketiko ao am-po lalandava Fa reharehako Ianao 3- Tsy nisy nahitam-pamonjena Afa-tsy taminao. Nanaiky Ianao, tsy mba noterena Hitondra aina vao. Ny tananao mahery natsotranao Mba hitantana Hahaizako mandeha sy mizotra Ny làla-marina.