HafatraPastoralyPaska2007 - FPMA Nancy

Portable : 0698114675 Courriel : [email protected]. Ho an'ny Filoha sy ny Komitin'ny Faritany 6 ato amin'ny FPMA. Ho an'ny Filoha sy ny Komitin'ny Tafo 34 ...
78KB taille 9 téléchargements 371 vues
MALAGASY PROTESTANT CHURCH IN FRANCE MADEGASSICHE PROTESTANTISCHE KIRCHE IN FRANKREICH

EGLISE PROTESTANTE MALGACHE EN FRANCE

F iangonana

P rotestanta

M alagasy aty

Siège national : 47, rue de Clichy- 75311 Paris Cedex 09 - - France Tél : 01 45 96 03 00 05 http://fpma.net CCP FPMA n° 22 209 35 R - Centre de Paris

A ndafy .

PRÉSIDENT SYNODAL – PRÉSIDENT DE LA FPMA Paris, 03 avrily 2007 Portable : 0698114675 Courriel : [email protected] Ho an’ny Filoha sy ny Komitin’ny Faritany 6 ato amin’ny FPMA Ho an’ny Filoha sy ny Komitin’ny Tafo 34 sy Fiaraha-mivavaka 4 Ho an’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra ato amin’ny FPMA

HAFATRA PASTORALY PASKA 2007 Ry havana malala, Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompontsika! « Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana ; ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo ; ary mbola ao amin’ny fahotanareo ihany ianareo ; dia very koa izay efa nodimandry ao amin’i Kristy. Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’I Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika. … Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.» I Korintiana 15, 16-19,57-58 Efa mahazatra antsika kristiana ny mandre azy, ka tsy tsaroantsika matetika ny hasarobidin’ny fitsanganan’ny Tompo Jesoa Kristy tamin’ny maty izay ankalazaintsika isan-taona. Kanefa, ny fitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty dia mampahafantatra antsika mandrakariva fa tsy Andriamanitra maty no tompointsika fa Andriamanitra velona, koa na dia betsaka aza ny zava-manahirana atrehintsika eo amin’ny fiainana andavanandro, dia matoky sy manana fanantenana hatrany isika fa mpandresy koa, noho ny fandresena efa azon’ny Tompontsika. «Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika.» Romana 8, 37 Misaotra ny Tompo isika FA TANTERAKA SOA AMAN-TSARA NY FANDRAISANA ANTSIKA FPMA HO MPIKAMBANA FENO AO ANATIN’NY FÉDÉRATION PROTESTANTE DE FRANCE. Andro lehibe raiketin’ny tantaran’ny Fiangonantsika iny 01 avrily 2007 iny. Tsy mora ny nahatrarana ny tanjona, efa nirina an-taona maro, ary mbola tsaroako manokana ny fahadisoam-panantenana tamin’ny taona lasa raha tsy nampidirina ho isan’ny tanisa dinika tamin’ny Fivoriambe ny fangatahantsika izay efa nikirizako mafy sy efa nandrenesantsika fanomezan-toky tany amin’ny Zaikabe nataontsika tany La Roche-surYon. Misaotra antsika rehetra nampahery sy nitondra amim-bavaka ny ezaka natao, ary misaotra koa ireo nanome tsiny sy nanao fanakianana ahy tamin’izany fotoana izany fa nahatonga fikirizana ho anay mba hiezaka bebe kokoa. Fa mitaky andraikitra lehibe ho antsika izao zava-misy ankehitriny izao. Lesona lehibe tsy azo hamaivanina ny TOKONY HIEZAHANTSIKA TSIRAIRAY AVY HO MATOTRA ARA-PINOANA SY HAHATSIARO TENA FA TENA FIANGONANA ISIKA ANKEHITRINY, EKEN’NY MARO SY TAZANINY AKAIKY, FA TSY TOY NY FIKAMBANANA TSOTRA FOTSINY. Hoy ny razantsika, hoe : «Ny adidy tsy an’olon-dratsy». Ny asa atao tsy vitan-dresaka sy fihetsehampo fotsiny. MANENTANA ANTSIKA TAFO TSIRAIRAY AVY SAMY HIEZAKA HANEFA NY ADIDINTSIKA ARA-BOLA HO ENTI-MANANA NY ASA IOMBONANA. Aoka avela amin’izay ny adihevitra sy ny resabe mandany andro fa tsy mampandroso. Aoka ariana ny hambom-po diso toerana sy fitiavantena ary ny fitadiavam-boninahitra mahatonga disadisa eo anivontsika. Hoy ny Soratra Masina : «Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany», II Timoty 2, 23. Dia mirary Paska sambatra ho anareo rehetra ary mitsodrano anareo amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana : «Andriamanitry ny fiadanana, Izay nitondra an’i Jesoa Kristy Tompontsika

Mpiandry ondry lehibe, hiala amin’ny maty, mitondra ny ran’ny fanekena mandrakizay. Izy hahatanteraka anareo amin’ny tsara rehetra hanao ny sitrapony, ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.» Hebreo 13, 20 Ny Filoha Synodaly, Filohan’ny FPMA, Dr Jean ANDRIAMAROHASINA RAVALITERA Mpitandrina sady Mpampianatra Teolojia ABIDJAN – AIX/MARSEILLE - AMIENS - BORDEAUX - CAEN - CERGY – CLERMONT-FERRAND - CREIL - DIJON – GRANDS CHAMPS - GRENOBLE – IVRY/ÎLE de France – LE PORT / LA REUNION - LILLE - LYON – MELUN - MONTPELLIER – MULHOUSE - NANCY - NANTES – NICE – ORLEANS – PARIS – POITIERS – PORT ROYAL ARAGO – REIMS – RENNESS - ROUEN – SAINT-ETIENNE – SAINT-SIMON - STRASBOURG – TOULOUSE – TOURS - TROYES