Microsoft Word - FAFY2bis.doc - FPMA Poitiers

ary ny fanompoam-piva va hana tsy tapaka isan'a lahady mandritry ny vola na jo lay sy aogositra. Mirary fia lan-tsasa tra tomombana ho an'ny tsira iray .
2MB taille 1 téléchargements 266 vues
GAZETY Tafo Poitiers

GAZETIM-PIANGONANA – Laharana 2 – Aprily / Mey / Jona 2006

« Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny ny raharaha rehetra aty ambanin’ny lanitra » (Mpitoriteny, 3,1)

Io voalazan’ny Mpitoriteny io no azo amintinana ny fiainam-piangonana eto amin’ny Tafo FPMA Poitiers amin’izao ankatoky ny fotoam- pialantsasatra izao. « A o ny andro ananganana…”(Mpit. 3 ,3 ) ary koa iasana mba hanatevenana sy hanatsarana izay efa misy. Fanomezam- pahas oavana avy amin’ny Tompo ny nijoroan’ny Sampana Tanora Kristianina tamin’ity taona ity. I zy anie homba sy hitantana izay rehetra kinasa. Tsy adino koa ny hetsika maro samihafa nataon’ireo sampana efa misy: ny ezaka ataon’ny mpampianatra Sekoly Alahady hanabeazana ireo zanants ika ao anatin’ny Finoana, ny fandraisan’ny Antokom- pihira anjara tamin’ny “Choralie 2006”. Nahafaly koa ny fahatongavantsika maro nanatrika ny lasy tany Jardres : natao izany satria “…tsara s ady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miaramonina..” (Salamo 133,1 ), ary “…fitiavana, fehin’ny fahatanterahana “(Kolosiana 3 , 14 ) no nentina nanatontosa izany. “A o ny andro ifaliana…”(M pit.3 ,4 ), toy ny tamin’ny fotoana nandraisantsika ny M pitandrina H anitra Raobinarison ho mpandrindra eto amin’ny Tafo enintaona lasa izay. Nandritra izany fotoana izany dia nanana Ray aman- dreny am- panahy niombona, na tamin’ny fifaliana izany na ny fahoriana koa, niaranizara ny hetaheta, ny fanantenana ary indraindray koa ny fahadisoam-panantenana tamintsika. Fampianarana nampitainy tamints ika ny hoe “..na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jes osy Tompo izany rehetra izany, ka misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany” (Kolosiana3 , 17 ). Tsy ho haintsika kosa nefa ny tsy hisaotra ny Mpitandrina tamin’izay rehetra nataony teto amin’ny Tafo Poitiers .

Mpiandraikitra ny fanoratana : • Ny Mpitandrina : Hanitra RAOBINARISON • Ny Filohan’ny Tafo : Rivo RATOVO ANDRIANAVALONA • Ny Birao

“Ao koa ny andro itomaniana…(Mpit.3,4) ate rak in’ny alahe lo satria hijanona tsy ho Mpitandrina mpandrindra e to amintsika intsony i Hanitra Raobinarison mba hahazoany manohy ny fianarany. Ny fihevitr’olombe lona, amin’ny maha nofo sy ra, dia m ino fa “ny omaly sy anio miara-dia, fa ny omaly no mahery se tra”. Isika m pianakavin’ny Finoana kosa am in’ny maha mpandova ny Fanjakan’ Andriamanitra dia ve lona ao anatin’ny Fanantenana, koa tsy maintsy mikolokolo sy miatrika ny ho avy. Eo anoloan’izany “..Dia efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian’ny olona amin’ny asany, satria izany no anjarany, fa iza no hampahalala azy izay ho avy any aoriany?” (Mpit.3,22). Koa dia ape traka eo ambany fiarovan’Ilay Mpahary, Mpiaro sy Mpanao ny soa, ary e ntina am imbavaka na ny fikasan’ny Mpitandrina na ny sorotr’asam-piangonana e to amin’ny Tafo Poitie rs toy ny fitohizan’ny fiaraha-mivavaka isan’alakamisy hariva ary ny fanompoam-pivavahana tsy tapaka isan’alahady mandritry ny volana jolay sy aogositra. Mirary fialan-tsasatra tomombana ho an’ny tsirairay . Ho an’Andriamanitra ire ry anie ny voninahitra.

Fiainam-piangonana

pejy 2 - 6

pejy 6 - 7

pejy 7 – 10

pejy 10 – 11

1

Vita soa aman-tsara ny fanokanana sy fandraisantànana ny Diakona vaovao eto amin’ny fiangonana tamin’ny 30 Aprily 2006 . Ny

Pasitera

Synôdaly

Jean

RAVALITERA

sy

Pasitera Hanitra RAOBIN ARISON no nanantanteraka ny fotoana . Ary norai sin-tànana ihany koa ny Komity miaramiasa

eto

amin’ny

fiangonana :

dia

ireo

mambran’ny Birao sy ireo filohan’ny Sampana ( Sekoly

Alahady

Kristianina

,

Antoko

-

Mpihira

,

Tanora

)

Araky ny efa voalazan’ny Mpitandrina Hanitra

RAOBIN ARISON

tamin’ny

Fiangonana moa dia nangataka ny hanao

“Année

manomboka

Sabbatique”

amin’ny

izy

fiandohan’ny

taom-pianarana vaovao ho avy izao . Koa mitrotro am-bavaka azy isika mianakavy mba ho tanteraka soa aman-tsara

araky

ny

sitrapon’And riamanitra ny faniriany.

Le Monde en Fête ! Toy ny isan-taona , dia nandray anjara tamin’izany vanin’andro izany ny Fiangonana ny 21 Mey lasa teo , izay nokarakarain’ny Toit du Monde . Anisan’ny fidi ram-bolan’ny Fiangonana moa izany hetsika izany , ary dia hisaorana izay rehetra tsy nikely soroka nanantanterak’izany , nitoto nahafotsy ary koa nahandro ka tena naha-masaka araky

ny

tena

izy

,

indrindra

ny

nanao ny

menakely . Andriamanitry amintsika

ny

rehetra

Fiadana ny

anie

handrotsaka

fahasoavany

sy

ny

famindram-pony ka hamaly soa antsika tsirairay avy . Tsy hadino koa ireo nitrotro am-bavaka izany fotoana izany .

2

Ho an’izay tsy mbola mahafantatra , ny Toit du Monde dia Association eto Poitie rs – Loi 1901 . Is ika Fiangonana dia anisan’ny Mambra ao , amin’ny alàlan’ny Antoko-Mpihira .

Ny tarigetrany dia : 1 – Miady amin’ny tsy fifandeferana , amin’ny fanavakavam-bolokoditra , ary amin’ny tsy fahamarinana rehetra mety mahazo an’ireo vahiny mitoetra eto Poitiers . 2 – Mandray ary manampy an’ireo vahiny sahirana 3 – Mifanakalo amin’ny hafa ara-koltoraly

Adiresy :

TOIT DU MONDE 31 rue des Trois Rois – POITIERS 05 49 41 13 40 Site : www.toit-du-monde.net

Ny Nettoyage

Mahavelom-bolo

tokoa

fa

mandeha araky ny nantenaina ny fizotran’ny

fanadiovam-

piangonana . Ary dia hisaorana ny

tsirairay

nanao

izany

hangatahina

ny

nanolon-tena

asa

izany

dia

mba

.

Ny

hizotra

tsara hatrany hatrany ny asa izay nekentsika

ho

voninahitr’And riamanitra

ire ry

ihany.

Natao taminy 7 Mey ny Alahadin’ny Sampana. Anisan’ny drafitr’asan’ny Sampana moa izany andro izany , ary koa no entimanana nanantanterahina ny Choralie izay natao tany Melun ny 25/26/27/28 Mey 2006 . Tanteraka soa aman-tsara araky ny sitrapon’Andriamanitra izany fihaonan-dehibe izany , izay niarahan’ny Sampana Antoko-Mpihira rehetra ao amin’ny FPMA manontolo eran’ny Frantsa . Niisa 350 teo ho eo ny choristes . Ny Teny Faneva tamin’izany fihaonam-be izany dia hoe “ Mihobia ho an’Andriamanitra ry tany rehetra “ Salamo 66 – 1

Ny tapany voalohany natao tamin’ny Concert dia nisy hira 10 , izay nahitana Gospel , hira bà Malagasy ……

1.

Velomy aho ( Tojo RANDRIANAIVOJAONA )

2.

Tompo ô raha sitrakao (

3.

Vavaka fiderana (

4.

Ry Rainay ô ‘zay any an-danitra (

5.

Miantso Anao (

Jocelyn RABERANTO

Gaby RAZAKATSARA

)

)

R.S. Naina RUFFIN

J.J. RABAKO RALAMBONIRINA

)

)

6.

The Lord is My Shepherd (

7.

Omeo Voninahitra (

8.

Ray ô ! (

9.

Vavaka ( Poopy

1 0. Mihobia

Sal. 23 – Whitney HOUSTON )

Jaona Aina RAMAROLAHY

Carol Fabien RAKOTOZAFY

)

– Naivo RAZAFIMANALINA

an’Andriamanitra

)

)

( Liva RAKOTONDRATSIMBA

)

Ny Tapany faharoa kosa dia hira sagan’asan’ Andriamatoa Laurent RAKOTOMAMONJY . Iza moa izany Lehilahy izany ?

3

Andriamatoa Laurent Rakotomamonjy dia mpamoron-kira araky ny Filazantsara. Miangona ao amin'ny fiangonana Protestanta F.J .K.M Betafo Fanavaozana Ambohimanarina izy . Raha fintinina ny zava-bitany dia toy izao :

1984 – 1991 : Mpanorina sady mambra no mpamoron-kira tao amin’ny tarika “NY MPITO RY” 1976 hatramin’izao : mamoron-kira ara-pilazantsara 1973 – 1991 - Mambra feno tao amin’ny Chorale “Tobin’ny Fiderana, E.V.M”

2000 – 2002 : niofana ho Mpitoriteny SE.FA.LA FJKM 1994 hatramin’izao : Filoha mpitarika ny Groupe Laurent RAKOTOMAMONJY ( G . L . R . ) Efa nitety an’i Madagasikara izy

SAMPANA

FJKM

Ny ankabeazan’ny hira foroniny dia

tamin'ny

ny

(SA .FIF), ka namoaka ny Cassette

ny hira miainga amin’ny fiainan’ny

Filazantsara, ka azo lazaina ho

(efa misy laharana 4) sy CD audio

olona an- davan’andro, ka entina

faritra vitsy ihany sisa no tsy

ary VCD ireo hira ZAFINDRAONY .

hakàna lesona ao amin’ny Baiboly

vitany.

Mifanampy

mba hitoriana ny Filazantsara.

Tsy mijanona fotsiny amin’ny

maro miasa ho amin’ny fitoriana ny

fitantanana ny G.L .R izy, fa

Filazantsara

mampianatra sy manome hira

izany izy : Fikambanana mampiely

ihany koa ireo Chorale na tarika

Baiboly

Malagasy,

ara-pilazantsara mila izany, ka

Mpiara-

mamaky

marobe amin’izy ireny no efa

Malagasy, Fikambanana mikarakara

nahavita

ny voafonja, ny marary saina, ny

audio,

fitoriana

namoaka CD

audio,

Cassette VCD.

Nomen’ny FJKM andraikitra izy

voan’ny kamboty,

FIFO HAZANA

amin’ny sy

ny

fikambanana fampielezana Fikambanan’ny ny

areti-mifindra,

Baiboly

ny

zaza sns...

tamin’ny alalan’ny FOIBEN’NY Raha hiverina amin’ny concert , dia hira 8 no nihiraina tamin’izany niaraka taminy :

1. 2. 3. 4.

Inty fa vonona aho Andriamanitra tsy mandao No hifarana ny dia Aza miala amin’Andriamanitra

5. 6. 7. 8.

4

Ekeko tsotra izao Tsy haiko ny m iaina Tsy maintsy mandresy Tianao ve ?

Faly

miarahaba

antsika amin’ny

anaran’ny

Tompo.

Hanehoana fa sampana velona ny STK FPMA Poitiers dia misy ireo mpikabana no manana hetaheta hanangana “atelier théâtre” . Santatra ambava rano ihany izy ity satria maro dia maro ireo fihetsehana izay manintona ny mpikambana raha natao ny tanisa tamin’ny fivoriam-be farany. Marihina anefa fa tsy natokana ho an’ny mpikambana ao amin’ny STK ihany izy ity fa hanentanana ireo rehetra izay maniry hianatra izay rehetra manodidina ny fisehoana an-tsehatra NY Alahady faha-18 Juin

Ny tanjona amin’izao fanombohana izao dia tsy ny hanaovana

fampisehoana

ahafahan’ny

rehetra

avy

hatrany

mifanerasera

fa

2006

mba

ankizy no nanantateraka ny

sy ivelarany bebe kokoa amin’ny fahalalana ny

hivelaran’ny

dia

sehatra

fiainana

iray

ihany

sy

ny

koa

izy

fitoriana

fanompoam-

pivavahana.

hafa mba hisian’ny fifampizarana. Lehibe noho izany izany

ho

Ny mpampianatra sy ny

tsirairay mamantatra misimisy kokoa momba ny maha

rehetra

natokana

Alahadin’ny S.A.

ivelan’ny fiaraha-

mivavaka. Io sehatra io ihany koa no ahafahan’ny

izy azy

no

Nisy koa ny fizarana loka

ity

ho azy ireo tamin’io andro

ny

io ary nifarana tamin’ny

tenin’Andriamanitra.

goûter moa ny korana. Manao antso avo noho izany izahay ho an’ireo rehetra

Dia mirary fahombiazana

izay maniry handray anjara fa misokatra malalaka ho

ho anareo hatrany na eo

antsika

amin’ny

amin’ny

alahady 2 jolay ny fisoratana anarana ary eo no

Tenin’ny

handinihana ny fandaminana ny fotoana rehetra.

izany na any an-tsekoly .

rehetra

ny

“atelier”.

Hanomboka

Misaotra mialoha ary hi toetra amintsika rehetra anie ny

fianarana Soratra

ny

Masina

Tohiny pejy faha - 12

fiadanan’i Kristy. Ny Filoha

VAOVAOM-PARITANY Tamin’ny 10 sy 11 Jona teo no nanaovana ny Zaikabe Faritany

Afovoany

Andrefana

tany

La

Rochette

(Melun).Ankoatra ny fanompoam-pivavahana miaraka sy ny antsam-panahy toy ny mahazatra amin’ny fotoana

toa

fampianarana Mpitandrina

ireny

dia

marihina

nahaliana synodaly

nataon’Andriamanitra

ny

mikasika tamin’i

manokana

maro

ny

nataon’ny

“Ny

Fanekena

Abrahama

,

sy

ny

fanazavana nomen’ny Mpitandrina Seth Rasolondraibe momba

ny

Soritr’asam-piangonana

FPMA,

izay

tsiahivina fa hohalalinina any Troyes amin’ny 16 ka hatramin’ny 21 Jolay ho avy izao.

5

LASIMLASIM-PIANGONANA Vita soamantsara tamin’ny 24 sy 25 Jona teo ny lasim-piangonana teto amin’ny Tafo Poitiers. Ny toerana nilasiana dia tao amin’ny Maison familiale de Jardres izay nahafa-po tokoa teo amin’ny lafiny rehetra. Taorian’ny

fanompoam-pivavahana

Mpitandrina

mpandrindra

Hanit ra

fanombohana

Raobinarison no

dia

ny

nanao

ny

fampianarana notsoahina avy tamin’ny Epistily ho an’ny Kolosiana 3, 1-17 mikasika ny fiovan-toetra mifanaraka amin’ny fiainana kristianina: mamono sy manaisotra ny asan’ny nofo ary kosa mitafy “fitiavana, fehin’ny fahatanterahana”. Teo am-piandrasana ny fikarakarana ny sakafo dia samy nandray anjara teo amin’ny fanatanjahan-tena, araka izay sahaza azy avy(volley-ball, tennis de table..). Rehefa vita kosa ny sakafo hariva (“barbecue nokarakarain’ny Tanora), dia nisy ny takarivam-pirahalahiana izay nampisehoana ny lohahevitra novoasana tamin’ny tolak’andro tamin’ny alalan’ny “sketches” nandraisan’ny Sekoly Alahady, ny Tanora ary ny hafa rehetra anjara. Tamin’ny 12 ora sy sasany alina vao nisaraka ny mpilasy. Ny alahady, taorian’ny sakafo maraina nokarakarain’ny sampana sekoly alahady, dia mbola nitohy ny fandinihina ny Soratra Masina. Anjaran’ireo izay tsy mbola nandray anjara kosa ny nanatontosa ny fikarakarana ny sakafo atoandro. Fanompam-pivavahana no namaranana ny fotoana tamin’ny tolak’andro . Tamin-kafaliana

no

nisarahana

taorian’iny

roa

andro

izay

nisehoan’ny firaisana sy ny fandavantenan’ny tsirairay iny.

Tohiny pejy faha 13 – 14

6

« NY TENA LEHILA HY » « Ny vola no maha rangahy » hoy isika Malagasy. Ary inoana marimarina aza fa tsy ao amin’ny fiaraha-monina malagasy ihany no andrenesana sy iharan’izany fomba fihevitra izany. Fanampiny fotsiny ny sisa, toy ny hoe : “ Izany ka Lehilahy”, “Ireny ka olom-banona…manam-pahaizana, manam-pahalalàna”. Ny tsanganana sy ny endrika ihany koa dia tafidit ra soa aman-tsara ao anatin’izany “fepetra” hamaritana ny tena Lehilahy na ny tena Vehivavy izany. Andeha holazaina fa ny fitsipika mifehy ny fiarahamonina misy antsika no antony. Aiza tokoa moa no misy firenena ka tsy mampiasa vola ho takalon-draharaha? Efa ela no nilaozan’ny toetr’andro ny hoe : “takalo-patsa no vidi-pihinana”. Milaza miara mahita rahatoa hiteny fa vit sy dia vitsy ankehitriny ny zavatra atao ka tsy ilàna vola. Hany ka mitombo ny soa toavina eo amin’ny fiaraha-monina. Ireharehàna sy lolohavina an-tampon’ny loha izay rehetra manana “harena ekonomika” toy ny fananana orin’asa, na “harena ara-kolon-tsaina” toy ny mari-pahaizana ambony, na ny “harena ara-batana” toy ny bika aman-tarehy. Loharanom-bola avokoa mantsy izany raha atao indray mijery. Ny fananana, na dia ny iray amin’ireo voalaza ireo fotsiny ihany aza, dia antoka iray ahazoana ny “harena sosialy”, izay raha adika t sotsotra d ia toerana manam-boninahitra ametrahan’ny fiaraha-monina izay manana an’ireo karazana “harena” ireo. Tsy ho gaga isika raha mihodinkodina manodidina ny fananana ny sasany amin’ireo “harena” ireo no tonga famaritana “ny tena Lehilahy” na “ny tena Vehivavy”. Havariana antsika ve ny filazàna fa tsy toy izany velively no atao hoe “tena Lehilahy” amin’Andriamanitra? Sanatria ny hisoratena hahalala izay famaritana omen’Andriamanitra ny “tena Lehilahy”. Fa misy ihany sombintsombiny ahafantarana izay mety ho fomba fijeriny amin’ny ankapobeny mikasika izany. Raha tsy hilaza fotsiny ny fotoana nisafidianana an’i Davida ho mpanjakan’ny Isarely raha niteny tamin’i Samoela Izy hoe : “ Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon’ny tsanganany, …; fa tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo” (I Samoela 16/7). Toa inona àry no atao hoe : “tena Lehilahy” amin’ny fijerin’Andriamanit ra ? Vokatry ny fandinihina i zay voalaza ao amin’ny Filazantsara ihany no hezahina hamaliana ny fanontaniana. Izay mety hahatalanjona dia ny nahenoina azy nivoaka avy eo ambavan’i Pilato raha nandray an’i Jesosy Kristy avy nokapohina sy nosatrohina tsilo izy ka niteny hoe: “Indro ny Lehilahy !” (Jaona 19/ 6b ).

Ho an’ireo izay nah ita ny sa rimihetsika nitanta ra ny fiainan’ i Jesosy moa dia mahazo sary an-tsaina sahady ny endriny avy nokapohina. Manaraka izany, samy manaiky sy mahalala isika rehetra fa Zanak’Andriamanitra Jesosy Kristy. Hainy atao avokoa izay rehetra tsy hain’olombelona; taminy ny fahalalana, taminy ny fahendrena. Mbola tsy àry akory izao rehetra izao dia efa nisy Izy (Ohabolana 8/ 22-30). Tsy azo ampitahaina akory amin’ny diplôma ambony azon’ny saintsika olombelona tratrarina ny halehibiazan’ny fahalalan’i Jesosy Kristy. Saingy tsy nireharehàny izany no sady tsy nataony ho fantatry ny be sy ny maro. Be ny nanao Azy ho mpampianatra, izay fiantsoana olona ambony tamin’ny fotoan’andro, fa tsy nataony ho zava-dehibe izany (Filipianina 2/ 5-8). Ny fandeferana, ny fanetren-tena, ny tsy fizahozahoana sy ny tsy fireharehana, izay no hevitra faharoa voarakitry ny teny hoe : “Indro ny Lehilahy”. Tsy ny fananana bika aman-tarehy soa, na ny fahaizana amam-pahalalàna, na ny fananana loharanom-bola azo amin’ny rariny sy ny ara-dalàna no ratsy. Is ika krsit ianina aza entanina hanao izay mampandroso sy izay misy haja ary mahitsy – raha misy hatsaram-panahy – (Filipianina 4/ 8). Raha ny famaritana ny “tena Lehilahy” na ny “tena Vehivavy” : moa ve mbola mitoetra amin’ny fijerin’izao fiaraha-monina izao ny fijerintsika kristianina ?

Sa fantatsika ihany ny fijerin’Andriamanit ra fa isika mihitsy no mihirim-belona amin’ny toetra ratsints ika satria “tsy misy ny olona tanteraka”. Fialàna andraikitra ihany izany. “Ny tarehy ratsy no tsy azo ovàna fa ny toet ra ratsy azo ialàna” hoy ny fiteny, mainka moa fa ny fomba fijery. Raha mbola misy azo ahitsy, na sarotra aza, tsy tsara ve ny miezaka? Ho voninahitr’Ilay niantso an tsika ho sakaizany sy niantso antsika ahay hifankatia.

Tafita RAVELOJAONA

NY ANGANONTSIKA MALAGASY « NY MAHATSARA NY F IRA ISAN-KINA » Angano nangonin’ny Rev. L. DAHLE sy J. SIMS, “Anganon’ny Ntaolo”, 1971

TOKO I. “TSY NA HA NDRY NY A NDRO ZOMA ” Nisy, hono, lehilahy anankiray nanana zanaka telo mirahalahy. Nefa tsy mba nahay nifanaraka izy ireo, fa niady matetika, satria Andriamatoa sarotra narahina, Andrianaivo tsy mba nahay nandefitra ary Ifaralahy tsy nety nanoa. Noho izany dia nikitrana sy nifanjihitra mandrakariva izy ireo satria tsy mba nahay nifandefitra, ka na inona na inona natao dia samy nampiseho ditra sy kiry avokoa; hany ka nalahelo sy ory loatra iadany (1).

Noheverin-drainy fatratra izay hahafoana izany toetra mampalahelo izany ka izao no hevitra naposany taminy: “Samia hianareo telo mirahalahy tonga eto amin’ny Zoma herin’ny anio fa hitsangatsangana any an’ala isika hizaha ny toetry ny zavatra rehet ra any. Nefa ‘ndeha samy mody any amin’ny vady aman-janakareo avy aloha, ka samia tonga amin’io fotoana io.

7

Dia samy lasa nody izy ireo; kanjo nony vao Alatsinainy ny andro, dia i nty tonga Andriamatoa fa tsy nahandry ny and ro Zoma akory. Dia nanontany rainy hoe: “Hia! Tonga sahady ve hianao, anaka ? Nahoana re hianao no dia tsy nahandry ny andro Zoma ? Angaha tsy renao ny tenin’ny ntaolo hoe: “Ny akoho no tsy mba nanidina, tsy nahandry ny andro Zoma” ? Ndeha aloha itsizy mody anaka, fa vao Alatsinainy anio, ka tsy tokony hivoahantsika, fa raha manao izany isika dia ho maivana ny dia”. Izany, hono, no nanaovana ny Alatsinainy hoe “Andro Maivana” (2) ka vitsy foana no sahy nananta-javatra tamin’io andro io. Nony ampitso indray, ilay nitsidika andro iny, dia tonga kosa Andrianaivo ka nanao hoe : “Haody, ry ikaky!”, sady nandroso tery avara-patana izy. Fa taitra rainy ka nanao hoe: “ Endre ! tonga sahady ve raondriana ? » sady nalahelo izy nahita izany ka niteny hoe: “ E! misara-kevitra tokoa lahy, ry ilay zaza, fa tsy mahandry ny andro Zoma akory! ‘Ndeha aloha itsizy mody ka mahandrasa fotoana fa vao Talata anio, ka tsy mendrika hivoahantsika, andro loaka; ary hianao koa dia ratsy fihavy, satria amin’ny andro manahana (3) indrindra sy ny tonon’and ro ratsy no ahatongavanao”. Izany koa,hono, no nanaovana ny andro Talata hoe “Andro Loaka”, ary ny mitsidika hoe “Andro Manahana”

Ampitson’iny indray dia tonga koa Ifaralahy, ka nony ‘mby teo am-baravarany dia nanao hoe: “Haody, ry ikaky!”. Fa nampiseho alahelo indray ny rainy hoe: “Mafy lahy ny adala zanaka! Samy ratsy tokoa, ry ilay zaza, fa tonga ny iray, hita ny tsy fitiavan-kavana; avy ny iray, mitranga ny tsy firaisan-kina; miposaka ny iray, miseho ny samy manao voin’ny azony. ‘Ndeha aloha miverina, ry Ikoto, fa vao Alarobia anio, ka tsy tsara raha hivoahantsika, fa raha mandeha anio isika dia tsy ho tafaverina intsony”. Izany, hono, no nisehoan’ny hoe : “Alarobia tsy Miverina”. (1) Dadany (2) Ireo tonon’andro voalaza eo ambony ireo dia ny fanaon’ny Sihanaka; fa izao kosa no fanaon’ny Merina: Ny Alahady dia Andro Mahery ka tsy fanao ny mandevina raha tsy efa tolak’andro fandrao mahafolaka an-dantony. Ny Alatsinainy dia Andro Mena ka fandevenana sy fanaovana afana. Ny Talata dia Andro Maivana, sady tsara, ka fanantaran-javatra sy fivoahan’ny Andriana. Ny Alarobia dia Andro Ratsy ka atao hoe Alarobia tsy Miverina; fandevenana sy famadihana ny maty. Ny Alakamisy dia Andro Tsara satria manantena hisy; fanantaranjavatra sy fampakaram-bady ary fivoahan’ny Andriana koa. Ny maty tsy alevina Alakamisy fa avela hiandry Zoma. Ny Zoma dia Andro Mainty, atriatrin ’andro, tsy soa tsy ratsy; andro fandevenana koa. Ny Asabotsy dia Andro Mibont sina; fitomaniana ny maty sy fanaovana afana. (3) Mibahana na misakana eo am-baravarana

Tafita RAVELOJAONA

OHABOLANA MALAGASY



IZAY TSY MAHAY SOBIKA MAHAY FATAM-BARY

Traduisez :

SENS :



« Celui ou celle qui n’est pas capable de faire un grand panier est capable de faire une petite c orbeille »

Personne ne doit penser qu’il est incapable de prendre part au t ravail en commun. La p lupart des femmes savent tresser des joncs pour en faire une « sobika » ( soubique ) ou une natte, et les peti tes filles avec leu rs mamans . Ce proverbe est prononcé chaque fois qu’on fait appel à la bonne volonté de tous pour un travail où on attend la participation de chacun .

Tous au travail ! Chacun fait sa part comme il peut .

ASA VADI-DRANO KA TSY VITA TSY IFANAKONANA

Traduisez : « Le travail du retournement de la terre dans l’eau ne p eut se faire si on ne s ’entraide pas »

SENS :

EXPLICATION :

EXPLICATION : La culture du riz exige la coopération entre tous car c’est un travail difficile et fatiguant. Nous Malgaches savons qu’il faut préparer la terre en y amenant de l’eau, ensuite briser les mottes de terre pour transformer la riziè re en un lac de boue . Après les femmes viennent pour repiquer le riz .

Le travail en commun est indispensable dans certains moments de la vie .

Lucien RABEFIERANA

8

26 JONA 2006, FANKALAZANA NY FAHALEOVANTENAM-PIRENENA Tononkalo roa no atolotro hisarihana ny saintsika amin’izao tsingerintaonan’ny Fahaleovantenam-pirenena izao, tononkalo nosoratan’i Rado, ary notsoahina tao amin’ny asa-sorat ra « Dinitra », dia « Ny Fahaleovantena » sy « Vavaka ». Ny anton’ireo safidy ireo. dia satria mbola mifandraika ary mitombona tokoa amin’izao vanim-potoana iainantsika izao ny ankamaroan’ny ambentin-kevitra ao amin’ny asa soratr’i Rado io, saingy ny endrika i sehoany no hafa : mpanoratra tia tanindrazana izy, ka fitiavan-tanindrazana, fahafahana, fandalana ny maha-malagasy, tsy fitovian-jo sy tsy fitoviantsaranga, fanavakavahana noho ny volon-koditra, fahantrana maro samihafa, tsy ny tao Madagasikara ihany fa na ny tany Afrika aza, no ampitainy. Fotoan’andron’ny fanatontoloana (mondialisation) koa izao. Mifamoivoy ny mponina eran-tany : tsy misy tany tsy ahitana Malagasy, toy ny tsy fisian’ny tany tsy ifanenana amin’ny Sinoa ! Mandeha ny fifanakalozana ara-barotra. Azo marihina manokana ny momba ny mpanakanto amin’ny hira, hosodoko, sary, tao-zavatra … Fampahafantarana ny kolotsaina malagasy izany.

Raha atao jery velatra anefa izao tontolo izao dia tsy azo hodian-tsy hita fa tsy eran’ny aina ny ezaka efain’ny tany andalampandrosoana, mainka aza tafalentika ao anatin’ ny fahantrana mangitsokitsoka ireo tany ireo. Singanina eto ny misy ao amin’ny tanintsika : tsy tambo isaina ny tsy an’asa, be ny mandry fotsy,…, maro ny Malagasy no mandao ny tanindrazana « tsy handranto fianarana, fa hitady harena », hoy ilay namana iray izay. Lasa ary ny saina manoloana ny antsana lalina manasaraka ny mahantra sy ny manana eo amin’ny Firenena, manoloana koa ny hady manelanelana ny Avaratra sy ny Atsimo, raha itarina ka atao jery foa-be ny eran-tany, dia te-hanome rariny an’i Emilson Andriamalala mpanoratra izay nilaza, tamin’ny vanimpotoana nampahery ny foto-kevitra « ideolojika » fa « mizara roa izao tontolo izao, dia ny madio lamba sy ny mpitrongy vao homana ». …Dia nofy ihany ve, na hevi-dravina fotsiny ny Fahafahana sy ny Fahaleovantena any amin’ireo tany mahantra, ary aiza ny anjara-toeran’ny Fitiavan-tanindrazana eo amin’ny.tsirairay avy ?

Saholy RATOVO

Ny Fahaleovantena

VAVAKA Tompo ô ! Mafisa fo, Ka aza amena valiny aho na mangataka aza anio ! Fa iangaviako Ianao ! Omeo ho an’ny rahalahiko, ary ho azy manontolo, izay fangatako isanandro ! Omeo ho an’ireo mahantra izay fitafiko androany, Omeo ho an’ny maro anaka ny sakafo anio tontoloko, Omeo ho an’ireo sahirana izay anjara tsikitsikiko, Omeo ho an’ireo voazioga ny fahafahako anio. Avela aho mba hangatsiaka, Avela aho mba hitofezaka, Avela aho mba hitomany, Avela aho mba ho voageja, na anio fotsiny aza ! Sao izany no hanamaivana ny am-paham-pahoriana entiny mandavataona… sy ny masoandro takona lolohaviny isanandro. Sady koa mba hamantarako ny fitiavantena-disoko, fa ny ho ahy hatrany hatrany, no efa niadiako fo, rehefa mba mivavaka aho, ka hadinoko ny hafa.

Ny Fahaleovantena, Razanako, izany, Dia lova miverina, ka sarobidy Mitaky herim-po tsy roa aman-tany Sy sandry miasa, manefa ny adidy Ny Fahaleovantena : tsy hoe fanamparana ny danin’ny kibo sy mamin’ ny tena Fa fanorenana fahasambarana hialokalofan’ity firenena. Ny Fahaleovantena dia andron’ny asa Tsy maintsy ilofosana sy ifotorana Izay malahelo ny andro efa lasa No tena mpanimba ny lalan-kizorana Ny Fahaleovantena dia efa voalanto Natao hanondrotana ireo vakodrazana Ny fanatsarana an’ireo zava-kanto Dia tena fitiavana ilay tanindrazana Ny vary, rankizy, no tohan’ny aina Io no sakafon’ireo razantsika Ny fahaleovantena, raha tian-kohajaina Ny vary volena tsy hisy tomika!

RADO

Koa italahoako Ianao : Hadinoy Aho , anio!

RADO

Handeha hitadidy !

Maro

dia

maro

amintsika

no

sahirana

Noho

izany

dia

handeha

hitadidy

fits ipi-pitenenana

ankehitriny amin’ny fitenenana na fanoratana

vitsivitsy izay hatomboka amin’izay mora mahasolafaka

ny teny malagasy. Maro ny antony mahatonga

indrindra.

izany izay tsy azo ifanomezan-tsiny. Tsapa

Andeha atomboka amin’ny tarehintsoratra haintso « h »

anefa fa samy te- hiezaka mafy ny hanatsara

izay isan’ny manahirana indrind ra satria tsy voatonona

izany isika ary samy maniry ny hampita io

intsony izy io ankehitriny. Manova tanteraka ny hevitry ny

teny mamitsika io amin’ireo dimby sy fara.

teny anefa ny fisiany na tsia. Ohatra: hady (lavaka) sy ady (tolona) ; loa (mivoaka avy ao am-bava) sy loha (amin’ny tena).

9

I- Teny misy “h” na tsia

4 - Raha miafara amin’ny "–ka" ilay fototeny ka tovanana "–ana" na "–ina" na atao mandidy miaraka amin’ny tovana "–a" na "–y" na "–o" dia matetika miova ho "h" ny "–ka". Noho izany ny sampanteny azo dia tokony hi sy "h" alohan’ireo tovana ireo. Ohatra: Kapohina sa kapoina ? Iry voalohany no izy satria kapoka no fototeny. Avadio sa avadiho ? Ity farany no izy satria vadika no fototeny.

Ireto misy sedra vitsivitsy hamantarana na misy “h” na tsia ilay teny: 1-

Fanaovana verindroa ilay teny ka raha mitaky feo "k" na "g" ny fiverenan’ilay fototeny dia manomboka amin’ny "h" izy izany. Ohatra: aingana sa haingana? Verindroa : haingakaingana no fiteny noho izany haingana izany no fototeny

II- Matoanteny miantomboka amin’ny “h” na tsia

2-

fampidirana ao anaty kambanteny ilay teny ka raha mitaky "k" dia manomboka amin’ny "h" ilay teny (mila fitandremana anefa ity sedra ity raha toa ka teny miafara amin’ny « ka » no atambatra aminy.) Ohatra : Ady sa hady? Henatra sa enatra? Kambanteny: amoron-kady no fiteny. Noho izany hady no fanoratra azy Saro-kenatra no fiteny. Noho izany henatra no fanoratra azy. (Tandremo fa sarokenatra no fanoratra azy fa tsy sarok’enatra sat ria manomboka amin’ny feo "h" ilay fototeny henatra) .

Andeha hotadidiana ity fitsipika ity: “Tsy azo as iana “h” aorian’ny “azo”, tokony hasiana “h” aorian’ny “tokony” ” Ohatra: Tsy azo id irana ny varavarana/ Tokony hidirana ny varavarana Tsy azo anaovana vazivazy ry zareo/ Tokony hanaovana vazivazy ry zareo Azo amidy ny fanaka / Tsy tokony hamidy ny fanaka Azo arafitra avy hatrany ilay seza / Tsy tokony harafitra avy hatrany ilay seza Ireo ary aloha no azo atolotra fa andeha isika samy hitadidy!!!

3-

Fanovonana "man-" ilay fototeny ka raha mitaky feo "g" dia miantomboka amin’ny "h" izany izy. Ohatra: Etaeta sa hetaheta ? Mangetaheta no fiteny noho izany ity farany no izy.

Mbola hitohy.

Nangonin’i Hobinavalona

Lucien RABEFIERANA

MOTS CROISÉS N° 2 ( MC 2 ) A 1 2 3 4

B

C

D

E

F

G

H

I

J

HORIZONTA LEMENT 1 – Seigneur / N’est pas à la campagne mais retourné 2 – Nombre / Recours 3 – Vie / Commandement 4 – Cinquième Livre du Nouveau Testament / Hela 5 – Ville d’Abraham / Nourritu re maternelle 6 – Arrêt 7 – Sodium / Ruminant sans queue 8 – Indéfini / Relatif à une nourriture multiplicative 9 – Préfixe identique / Pays de Tito 10 – Groupe dissident / Cardinaux

5 VERTICA LEMENT 6 7 8 9 10

10

A – Enveloppe / Encore B – Serviteur / Cardinaux C – Clé / Charpente D – Dedans / Coordination / Cà suffit / E – Champion / Trois premières F – Matinée / Article / Dégagement G – Fin H – Adepte rigoureux I – Sincéri té / Un allemand J – Article islamique / Prénom

Règle du jeu : Placer les 16 caractères du système hexadécimal 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 A B C D E F de manière qu’aucun d’entre eux ne figure deux fois dans une même ligne, une même colonne ou un même carré 4 x 4 .

SU DOKU ( S2 )

F C

A

3

7

5

B

4

C E

F

A

6

8

6

C

D

6

C 5

9

9

1

4 0

D

C

F

E

C

3

A

1

2

9

3

D

2

7

4 4 5 55 6 6 7 7 8 8 9 9 10 10

A M O U R

F

A M O N

T E M P L E M I E

R

I

A E

I E N A

V I A R

E

F

D

3

B

1

N U I

A I N E N U R

0

8

5

6 3

7

1

E

4

B

4

A

3

0

0

B

F

9

5 A

Réponses au prochain numéro numéro

D

SOLUTION DU S1

A B C D E F G H I J P A R D O N N E R

5

2

SOLUTION DU MC1

1 1 2 2 3

0

4

4 7

D

A

4

0 E

2

2

A E

1

5

C F

D

C

9 9

C 1

1

A

8

A

8

9

7

F

3

0

7

9

B

7 B

4

D

6

B

5

1

A

1 1

6

R O S E G U E U X

C

H

S O I

R A C L E

L H

I I

E X U E T A M

9 4 1 2

8

6

5

1

2

7

3

6

9

3

7

8

5

4

3 7

5

8

2

4

6

9

1

2 9 8 5 7 6

4

3

1

4

7

8

5

3

4

7

9

1

2

6

1

2

8

5

4

3

9

4 3 4 1 6

9

7

6

8

5

1

2

7

5

9

2

3

4

8

5 8

2

1

4

3

9

6

7

11

Tohiny

FIOFANANA Ho tohin’ny resaka fiofanana tamin’ny gaze ty

-DATES :

teo aloha, dia indro lazaina amintsika izay mazoto hanatrika izany any Paris ny m ikasika ny taom-pianarana 2006-2007 :

Première année : 14 /10 /06 ; 09 /12/06 ; 10 /02/07 ; 24/03 /07

Cours de formation aux Ministè res parm i les

Deuxième année : 18 /11/06 ; 13 /01/07 ;

enfants – 2006-2007

10 /03/07 ; 21/04 /07

Ile de France – Formation complè te : 8 samedis sur deux ans (possibilité de faire en une année)

-La formation complè te est sanctionnée par un

-Remise des certificats : D imanche 22 /04/07

-PRIX : 47 euros par année ;

ce rtificat.

formation complète : 94 euros

Izay mazoto dia antsoy ny 05.49.84.96.25, fa

-LIEU : Institut Biblique, 39

handefasana fiche d’inscription sy ny programa

Grand Rue à Nogent sur Marne

hatao amin’izany.

(RER A) -REPAS : Prendre pique-nique ou

Tapitra ity ny taom-pianarana 2005-2006, koa dia m irary vakansy mahafinaritra ho antsika

possibilité de prendre le repas de

re hetra.

midi à l’institut Biblique

Misy sortie hataon’ny mpianatra, ray aman-dreny

(6,70euros ; uniquement sur

ary ny mpampianatra am in’ny volana août. Mbola

réservation une semaine avant le

ho lazaina ny andinidininy m ikasika izany.

cours au 01.45.14.23.70) Raha sitrapon’Andriamanitra dia ny te stamenta taloha ny lesona vaovao amin’ny fidirana, satria mbola tsy nikasika io mihitsy isika.

-FORMA TEURS : Paul BRIGNON, Sabine BRELA UD,Christelle MEHA L, Wendy HA NNA, Gilbert JOSS, Chantha KING, Lydie PETERSCHMITT-CERDA N, Janet JOHNSON, Gille ROCHE… .

12

LASIM-PIANGONANA an-tsary ( Tohiny )

13

14

Bonnes Vacances à Tous et à Toutes

 Ny Fanompoam-pivavahana dia misy foana isaky ny Alahady mandritry ny fialan-tsasatra

 Lasy isan-keritaonan´ny FIFOHAZAMPANAHY eto amin´ny FPMA, ny 10-16 Jolay 2006 any Troyes  Soritr’Asam-Piangonana eto amin’ny FPMA ny 16-21 Jolay 2006 any Troyes ihany .

15