FFKM 17 janv 2009 - FPMA Aix Marseille

Jan 17, 2009 - 8-VAKITENY VOALOHANY: FLM. Ez 37, 15-19, 21b-22, 26-28. "ZANY TENINAO. 1- Zany teninao ry Tompo, hazavana. "Zay manilo ny vahoaka ...
144KB taille 27 téléchargements 717 vues
noho ny herin’ny Fanahy Masina, ka tonga olombelona. Nohomboana tamin’ny hazofijaliana ho antsika tamin’ny andron’ny Pontio-Pilato, nijaly ary nalevina, nitsangana velona tamin’ny andro fahatelo, araka ny Soratra Masina, niakatra any andanitra, mipetraka eo an-kavanan’ny Ray ary ho avy indray amim-boninahitra hitsara ny velona sy ny maty ka tsy hanam-pahataperana ny Fanjakany. Izaho mino ny Fanahy Masina Tompo sy Mpamelona avy amin’ny Ray sy ny Zanaka, itsaohana sy omem-boninahitra miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka, ary niteny tamin’ny vavan’ny mpaminany. Izaho mino ny Fiangonana iray, Masina, maneraza izao rehetra izao, araka ny fanorenan’ny Apostoly. Izaho manaiky ny Batisa iray hofamelankeloka, ary miandry ny fitsanganan’ny maty sy ny fiainana ho avy. Amen.

Miaingà, namako ô! Jeso no mibaiko Mandrosoa, mandrosoa ; mandrosoa tokoa Aza kivy koa, na dia tsy mahazo : Mandrosoa amin’ny lalina kokoa 2- O! mandrosoa, ry mpanaraton’ i Jeso, Saina mora kivy aoka ho lavinao ; Ny mora kivy dia hanenina tokoa : Raiso ka arotsahy ny haratonao. Miaingà namako ô,... sns. 3 - O! mandrosoa, ry mpanaraton’i Jeso, Mbola ao ny hazandrano ho azonao ; Tsy azonao anio, ampitso mandrosoa, Raiso ka arotsahy ny haratonao. Miaingà namako ô,... sns. 4- Mba mitoera, Jeso ao antsambonay Mba ho renay lalandava ny teninao ; Ny baikonao, ry Tompo, Hankatoavinay Ka harotsakay izao ny haratonay. Miaingà namako ô,... sns Ry Tompon’ny harena…

14-RANOMBAVAKA: “Ho iray ihany anie izahay mpianatrao” A– FLM: Taom-baovao B– FPMA: Firaisan’ny mpino D– CCMAM: Firenena

17- VAOVAO ISAN-TAFO: FPMA-CCMAM-FLM.

15-VAVAKA NAMPIANARAN’NY TOMPO Ry Rainay any an-danitra o, Hohamasinina anie ny Anaranao. Ho tonga anie ny Fanjakanao. Hatao anie ny Sitraponao Eto an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay, avelao ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay, aza avela ho azon’ny fakampanahy izahay, fa manafaha anay amin’ilay ratsy. Anao ny Fanjakana sy ny Hery Ary ny voninahitra mandrakizay. Amena. 16-HIRAN’NY RAKITRA: O! MANDROSOA RY MPANARATON’I JESO 1- O ! mandrosoa, ry mpanaraton’ i Jeso, Izay no baiko azontsika, ka mandrosoa; Jesosy Tompo no mibaiko, mandrosoa : Raiso ka arotsahy ny haratonao.

Communauté Catholique Malgache Aix-Marseille Fiangonana Loterana Malagasy eto Marseille Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy (CCMAM-FLM-FPMA)

TAONA VAOVAO 2010

18- FISAORANA: CCMAM FITIAVANA RANO VELONA 1- Fitiavana rano velona, Loharano lalina, Ka miafina ao anatiny Ny fianan-danitra. 19-TSODRANO : Père BETHAZ 2- Fitiavana no nirahina Avy tamin-Jehovah; O, mba raisonao, dia ho fantatrao Ny fahasambarana 3- Fitiavana didy tokana Ary didy lehibe; Mitoera ao, hitoeranao Amim-piadanam-be. 20– ZAVA-MANENO 21– FIRAVANA 22- FIARAHANA MIALA-HETAHETA

“Ianareo no vavolombelona hanambara izany!” Lioka 24 / 48

ALAHADY 17

JANOARY

2010

amin’ny 3 ora sy sasany Église catholique Notre Dame de grâce 65, avenue du Merlan 13014 Marseille

1-FIDIRANA: zava-maneno HE NY ANDON’NY MARAINA 1- He, ny andon’ny maraina, Latsaka ao an-tsaha re, Ka mamelona ny maina, Izay maniry rano be ! Ravoravo e, ny tany, Fa he, ny andro maina efa lany, Ka mitsahatra ny fahantrany, Manaroka ny hazo be. 2-Ny Fanahy karankaina Misy rano velona, Fa Jesoa ’lay andon’aina Manome fiainana : Velona ny jentilisa, Ny tany hay dia tonga Paradisa; Marobe no efa voaisa Handray ny lova masina! 3-Misy lalana mizotra, Izay mankao Ziona re; Any no mitanjozotra Ny vahiny marobe ; Ka i Ziona dia mivoha Hidiran’ny navotan’ny Tsitoha; Ao no ivorian’ny mifoha, Fa an’ny Tompo lehibe. 2-FIARAHABANA: FLM 3-VAVAKA FIDERANA, FITSAOHANA, FISAORANA: FLM 4-HIRA FIDERANA: FLM JESOA MPANJAKA MALAZA 1- Jeso, Mpanjaka malaza, No Tompo Mpanjakanay; Mahery sy tsara indrindra, Ka Izy no aronay. Mendrika hankalazaina Noho ny heriny; Eran-tany sy lanitra koa Ny zo aman-dazany: Ry Tompo Mpanjaka mahery ô! Mihainoa! Avy manaiky tokoa izahay Fa Tompon’ny hery rehetra Hianao Tsy misy mihitsy ny toa Anao Tsy tratry ny saina ny herinao; Ny fiderana izay entinay, raiso re! Ny haja atolotra Anao ety, Raiso

2-Tompo, Mpandahatra hendry, Mpanao izao rehetra izao Ny zara sy tendry ataony Dia tsara sy mahasoa; Mendrika ny hoderaina Ny fandaharany; Atolory ho Azy ny saotra Fa Izy tandrifin’io; Ry Tompo, Mpanjaka …sns 3-Tompo, Mpanjaka Tsitoha Kanefa be indrafo; Deraina eram-po eran-tsaina, Deraina mandrakizay; He! Ny mpanompo voavonjy Samy mihoby hoe: “Haleloia, ho amin’ny Avo, Fa Jesoa no Tomponay!”. Ry Tompo Mpanjaka, …sns 5-VAVAKA FIFONANA: FPMA MAMELOKA HELOKA ISAN’ANDRO 1-Mamela heloka isan’andro Ianao Jesoa, Zoky be fitia (be fitia) Nefa, nefa re, indrisy! Fa lotoiko, fa lotoiko tamin’ny otako. O!o! Miantsoantso aho e: Ray malala ô (Ray malala) O!o! Atsangano aho, Atsangano aho fa efa trotraka Tsaroako dia tsaroako, eny Ny hadisoako, Zoky be fitia (be fitia) Nefa, nefa re indrisy! Fa fiadanana, fa fiadanana no katsahiko. 6-TENY FAMELAN-KELOKA: FPMA 7-VAVAKA FANGATAHANA: CCMAM RY FANAHY MASINA, AVIA E Ry Fanahy Masina, avia e, midina e, Avia, midina. 1-Ô ry Rain’ny ory, avia Mpizarazara soa avia Ry Mpanolon-tsaina, avia, midina. 2-Ry Mpanambitamby, avia Ô ry Soa indrindra, avia Ry Mpamelombelona, avia, midina 3-Mpanafaka alahelo, avia Ô ry Fahazavana, avia Ô ry Mpanamasina, avia, midina.

4-Ô ry Mpanadio, avia O ry Mpankahery, avia Fanomezan-tsoa, avia, midina. 8-VAKITENY VOALOHANY: FLM Ez 37, 15-19, 21b-22, 26-28 ‘ZANY TENINAO 1-‘Zany teninao ry Tompo, hazavana ‘Zay manilo ny vahoaka mino Anao, Ka manafaka azy hiala anaty haizina Nandrakotra an’izao tontolo izao. Koa enga anie mba hino Anao‘zahay , Mba handraisanay ny Teninao, F’Ianao no sitrak’Andriamanitra Ho lalam-pamonjena izay hizoranay! 9- VAKITENY FAHAROA: CCMAM Gal 3 / 26 - 29 2-‘Zany Teninao, ry Tompo, tena Hery Itokian’ireo ‘zay manantena anao: Na ho levona aza izao tontolo izao, Ny Teninao tsy miova fa nandresy Ianao. Koa enga anie hatoky Anao ‘zahay, Hitazonanay ny Teninao ; F’Ianao no sitrak’Andriamanitra Ho fahamarinana ‘zay hianteheranay! 10-VAOVAO MAHAFALY: FPMA Lioka 24, 44 - 53 3-‘Zany Teninao ry Tompo tena aina Iveloman’ny vahoaka tia Anao; Nositraninao ny rofiny rehetra, ‘Reo ‘zay nodimandry dia natsanganao. Koa enga anie ho tia Anao ‘zahay, Ho sakafonay ny Teninao, F’Ianao no sitrak’Andriamanitra Ho Aina ivelomanay mandrakizay! 11-TORITENY: Père BETHAZ 12-CHORALE MITAMBATRA: Ary izao tontolo izao 1– Ary izao tontolo izao Nohariana mba ho iray: Ankohonan’Ilay Ray Hiombona amin-Janany. Simbam-panavahana! Toy ny ondry nobaboina, Ka mihahaka daholo Mitsitokotoko eny.

Fa ny Ray no Mpahary Tsy mba sasatra miandry; Ary sitraky ny fony Mba tsy hisy iray ho very. Tompo ô, angony indray Ny ondrinao fa te ho iray, Mba ho tokana ny vala, Ka ho iray mandrakizay. Ny Batisa dia iray! Ny finoana dia iray! Ny Fiangonana iray! Satria mino Tompo iray! Homba antsika tsy ho rendrika Ny fitiavan’Andriamanitra, Kristy Tompo Iraky ny Ray, Ny Fanahy antoka izao hitàna… Ny batisa, sns… 2– Tonga nofo aman-dra Ilay Zanaky ny Ray, Ka miantso ny mpanota Sy manangona ny very. Simba-pisarahana! Ka misampana ny dia Nefa miantso an’Izy Tompo, Ny tsy mpino tohina. Tsy havela’izy Ray Hisy vala maro intsony, Fa ho tokana hijoro Hanambatra an’i Jesoa 13-FIEKEM-PINOANA TANY NISEA Izaho mino an’Andriamanitra tokana, Ray Tsitoha, nahary ny lanitra sy ny tany ary ny zavatra rehetra, na ny hita na ny tsy hita. Izaho mino an’ i Jesoa Kristy Tompo tokana, Zanaka Lahitokan’Andriamanitra, teraky ny Ray talohan’izao rehetra izao, Andriamanitra avy amin’Andriamanitra, Fahazavana avy amin’ny Fahazavana, Andriamanitra marina avy amin’Andriamanitra marina, nateraka fa tsy natao, iray fomba amin’ny Ray. Izy no nahariana izao rehetra izao, nidina avy any an-danitra ho antsika olombelona sy ho famonjena antsika, ary tonga nofo tao amin’i Maria Virijina