Ahoana no fikolokoloana ny fitadidiana? - Fichier-PDF.fr

15 juin 2013 - amin' ny fikolokoloana ny fitadidiana (Mémoire mentale) izany satria io no miantoka ny dingana rehetra. Fahombiazana rahateo no tanjontsika ...
633KB taille 93 téléchargements 599 vues
Hadihady iarahana amin’i Naina RAKOTOMALALA Mpanofana momba ny Fifeheza-mitarika sy fampivoaran-tena

Tsy vitsy amin’ ny tanora, indrindra ny mbola mpianatra no handalo amin’ ny fisedrana fotoam-panadinana ato ho ato.Ilaina araka izany ny manamboatra sy mandamina ny fombafomba samihafa entina hiomanana azy.Na ahoana na ahoana anefa dia tsy maintsy miainga amin’ ny fikolokoloana ny fitadidiana (Mémoire mentale) izany satria io no miantoka ny dingana rehetra. Fahombiazana rahateo no tanjontsika ka dia mahakasika ny fitadidiana no hodinihantsika eto.

INONA MARINA MOA NY TADIDY?

Mitondra sy miantoka ny fiainan-janak’olombelona ny fitadidiana ary izy no mampiavaka antsika amin’ ny zava-manan’aina rehetra.Vao hanomboka hiteny ny zaza iray dia ny tadidy no ahafahany manao an’ izany voalohany ka miha-mitatra arakaraka ny fitombony sy ny taonany izany.

Ao amin’ ny saina no toerana misy azy ary ao amin’ ny faritry ny atao hoe “Subconscient” .Io faritra io dia tsy manao afa-tsy ny mandray sy mitana izay hitan’ ny maso sy ren’ ny sofina ka izay ampahany tavela ary tafaraikitra amin’ izany no atao hoe tadidy.Araky ny voalazan’ ireo Pédopsychiatre dia eo anelanelan’ ny 12 taona ka hatramin’ ny18 taona no tena mahatsara ny fitadidiana.Aorian’ izay, hatreo amin’ ny faha 25 taona dia somary mihena tsikelikely indray ny fahazoana mitadidy.Manampy sy mameno ny fitadidiana kosa ny fiheverana, ny fandanjalanjana,ny fahaizana mandamim-piainana, ny finiavana, … rehefa mitsidiky ny 25 taona ny olona iray. Izany hoe efa miatrika ny fiainana tanteraka izy manomboka eo. Ireo voatanisa ireo moa dia asan’ ny faritra faharoa ao amin’ ny saina (Conscient). 2

TSY MITOVY NY TSIRAIRAY

Misy karazany ny olona ary azontsika tsapaina eny amin’ ny fiarahamonina eny izany. Ao ny mora mandray sy mahatadidy zavatra..Ao kosa ireo somary votsavotsa. Misy ray aman-dreny manana ankizy tezainy ao an-trano no tonga manontany tena noho ireo zanany izay manjary samihafa mihitsy eo amin’ ny fianarany.Samy zaza omentsakafo sy fitaizana mitovy izao saingy ny sasany lasa matsilo sy manana tadidin’elefanta,ny hafa toa zara raha mahovoka firy.Misy fahitan’ ny olona maro koa fa somary miverin-tsaina ny olona rehefa antitra.Tsy misy tsaroany ny zavatra vao niseho,eny na dia ny vao haingana aza.Ny mahagaga kosa anefa dia arany tsara ery sy voapetrapetrany amin’ny antsipirihany ny zava-nisy tamin’ ny fahazazany amam-pahatanorany. Izany rehetra izany dia nohon’ ny fiasan’ ny “Subconcient” ao amin’ ny saintsika avokoa.

INONA KOSA NO FOMBA MAHOMBY?

Azo ambara àry fa be dia be ny fomba ahazoana mikolokolo an’ io saintsika io na ny marimarina kokoa momba izay hampitomboana ny fahazoana mitadidy mba hanapoitra vokatsoa toy ny eo amin’ ny fianarana ohatra.Izay tena avoitrantsika eto dia ireo dingana amin’ ny fikarakaràna ny ara-tsaina ho amin’ izany sy ny fampahavitrihana ny ara-batana ihany koa izay tsy afaka hosarahina amin’ ny fampivoarana ny tenan’ olombelona.

3

I-EO AMIN’NY ARA-TSAINA

1/Ny Méthode Coué Ny fomba mahazatra antsika dia ny miainga amin’ ny alalan’ny famerimberenana. Rehefa averina sy matetika amintsika ny zavatra iray dia miforona ho tadidy ho azy satria mamoha sy mameno ny velaran’ ny fahatsiarovana mitoetra ao amin’ ny loha izany.Tsy ho voatery izay hitan’ ny maso sy ren’ ny sofina ihany io fa mety ho tadidy nifaka tamin’ ny zavanisy natrehina nohon’ ny hevitra na nohon’ ny sary an-tsaina (Imagination).

Ingahy Emile Coué izay farmasiana frantsay dia nalaza tamin’ ny fitrandrahana ny vokatr’io famerimberenana io tamin’ ny alalan’ ny nantsoiny hoe “Autosuggestion” ka tondroin’ ny maro mandraka ankehitriny hoe “Méthode Coué” izany fombafomba izany.

Tsy teo amin’ ny tontolon’ ny fitsaboana ihany fa na teo amin’ ny sehatry ny fampivoaran-tena ankapobeny no nampiharana ny “Autosuggestion”.Ny mpandraharaha mpanefoefo toa an-dry Will Clement Stone dia isan’ ny nigoka ny fahombiazan’ ity “Méthode Coué“ ity teo amin’ ny fampiharana azy tamin’ ireo sehatr’asany. 4

Ny “Autosuggestion” dia tsy inona akory fa famolavolanao mivantana amin’ ny alalan’ ny famerimberenana ao amin’ ny faritry ny “Subconscient“ amin’ ny saina an’ ireo hevitra tianao ampidirina sy hotanany ao anatiny ao. Ny famerimberenana “suggestion” iray dia manova tsikelikely ny Subconscient hanana fizarana sy finoana ary mitarika tsy nahy ho amin’ny fanatantanterahana ilay hevitra natsofoka.

Raha baiko tsara tahaka ny hoe izay hahatafitana eo amin’ ny fianarana ohatra no omena ny Subconscient dia mazava ho azy fa hahazoana vokatra miabo.Raha mifanohitra amin’izay kosa dia hivangongo ny fahavoazana.

Tahaka ny zavatra rehetra anefa dia mitaky fifehezana matotra ho an’izay mampiasa azy ito toromarik’i Ingahy Emile Coué ito satria na ny fihetseham-po be loatra mianjady amin’ ny tanora sy ny fisovoky ny tahotra samihafa hiatrika fanadinana dia azo resena amin’ ny famohazana “Autosuggestion” avokoa ankoatra ny fanitarana tadidy.Ny tsy fahampian’ ny fahatokisan-tena eo amin’ ny tsirairay avokoa mantsy no mahatonga ireny ka azo folahina amin’ ny fomba toa ity.

Mety hanavao ny sasany amintsika angamba ny Méthode Coué saingy amporisihana hatrany isika hikaroka sy handalina raha liana aminy, ary izay ihany koa no fomba mendrika indrindra ahafahana mampiakatra ny tahan’ ny fampivoaran-tena efa ananana.

5

Na izany aza, misy ihany endrika saika mahazatra fanaon’ ny besinimaro niainga avy amin’ ity “Méthode” ity. Toy ny hoe mampahomby kokoa ho an’ ny fitadidiana eo amin’ ny fianarana lesona ny sady famakiana azy amin’ ny maso no sady tononina mihitsy amin’ ny vava.Misy koa ny mampiasa fanafohezana mba hahatsotra ny fandraisan’ ny saina azy.Ity misy ohatra iray: “Mais ou est donc ornicar? Io dia fanafohezana ireo karazana “conjonctions” amin’ ny teny frantsay.Eo koa ny mpianatra izay mamorona tondro apetaka amin’ ny taratasy kely ka ataony mora talaky maso toy ny ao amin’ ny efitrano fatoriany izany.Matetika moa dia ny raikipohy amin’ ny taranja siantifika no tena fanao amin’ity farany ity ka ny hiverimberenan’ ny fahatsiarovana azy tsy tapaka no tanjona.

2/Mifandray amin’ ny fitiavana.

Rehefa ray aman-dreny dia samy malaina ny hanan-dratsy ka tsy miroa fo amin’ ny fampianarana ny zanany ary tsy misy tsara tokoa tahaka izany hoe tanora namiratra sy tafita teo amin’ ny fianarany izany.Dia misy ray aman-dreny mandany vola aman-karena ka mahavatra mampanao fampianarana tovana (Cours) ho an’ ny zanany ivelan’ ireo ora sy fotoana any amin’ ny sekoliny.Ny mampalahelo ho an’ ny sasany amin’ izy ireny dia zara ilay zatovo raha mba manana ora hafa toy ny hoe ilalaovana satria saika feno amin’ ireo fampianarana any an-tsekoly sy mety ho any an-trano avokoa ny fandaharam-potoanany rehetra.Ary dia toy izany hatrany ao anatin’ ny herinandro tsy miova.Aterak’ ireny matetika dia tsy mahazo vokatra miabo toy ny naoty ambony akory ilay ankizy ka valalanina ny ray aman-dreny sy ny mpanabe ka mety hitsara hoe ilay zaza mihitsy no maditra.Misy koa ny zatovo no tsy manao 6

ireny “cours” ireny saingy tahaka ny inona ny fibedesana azy raha vao tsy mianatra lesona sy mamita enti-mody rehefa hariva iny avy mirava.

Aoka anefa hofantatsika fa tsy ny fanaovana sesi-montotra fampianarana na zavatra hafa ao an-doha isaky ny mihetsika izao no miteraka fampilentehan-tsaina avy hatrany .Andeha angamba ataontsika hoe eo amin’ ny 50% eo ho eo ny taham-pahombiazan’izany.Ilaina dia ilaina kosa ary izay no tokony isantarana azy ny fampifandraisana ny fianarana amin’ ny fitiavana.Tsy ho afa-mitadidy mantsy na asesika toy ny inona aza raha tsy eo aloha ny fankafizana an’ilay fianarana.

Tsy ireo mpandalina ihany no mahatsapa fa na isika tsirairay aza afaka mandrefy fa mampitombo fifantohana sy mora tsaroana kokoa ny zavatra omen-danja sy mahafinaritra ary tiana.Araka izany dia ny paika hampahazo laka ny fitiavana sy fitadiavana fahalalana hampivoatra eo amin’ ny fiainana no mila imasoana ho laharam-pahamehana.Misosa ho azy avy eo ny manaraka ary izay vao ho feno ny 50%n’ ny tahampahombiazana fanampiny apoitran’ilay famerimberenana voalaza tetsy ambony.Rehefa atrehin’ ny ankizy ho toy ny miaina an’ireo kilalao fanaony ny fianarany dia ho azo antoka ny hisondrotan’ ny fahakingany.Indrindra moa eo amin’ny fitadidiana izay resahintsika eto. Isan’ ny azo hanamarinana ny herin’ ny fitiavana eo amin’ ny saina ny fisian’ ny olona maro manao kilalao mampandrangitra atidoha toy ny Scrabble, mots croisés,echec,….

7

3/Ny fahaiza-mampita

Andaniny,ny mpianatra dia mila manao ny fomba fandraisany ho miandalana (Hiérarchisation par étapes) eo amin’ ny fianarany fa tsy ankatoky ny adina vao mikoropaka milofo.Ary ny mpampianatra koa etsy ankilany dia tsy tokony ho latsa-danja. Miankina aminy ny fahazoam-bokatsoa satria raha tsy tomombana tsara ny fahaizany mampita an’ ireo lesona tokony ho tandrify dia ho toy ny zava-poana avokoa ny finiavan’ny mpianatra .Anjarany araka izany ny mitady ny fomba fiatrika (Approche pédagogique) antonona ny sokajin’ ny mpianany mba hahamora sy hahatsotra ny fahatakarana azy.

II-EO AMIN’NY ARA-BATANA

Ao anatin’ ny vatana salama ihany no misy ny saina tomady hoy ny fiteny.Ilaina ary tsy azo atao ambanin-javatra ny mikolokolo ny vatana mba hananany vitrika lalandava satria mety hisy fiantraikany any amin’ ny saina izay tsy afaky ny hahaleo tena samirery izany fa mifameno.

1/Ny fanatanjahan-tena:

Tokony tsy hananosarotra ho an’ ny zatovo ny manao fanatanjahantena, ohatra, na dia ireny lazaina fa madinidinika ireny toy ny mandeha tongotra aza.Efa taranja iray rahateo any amin’ ny ambaratonga sasany 8

izany.Saingy rehefa tafita amin’ ny ambaratonga ambony tsy ahitana intsony an’ity taranjam-panatanjahan-tena ity dia matetika no toa adinodino. Ny tsy fahampian’ ny hetsi-batana mantsy dia mitarika ny tsy fahalavorarian’ ny fikorianan’ ny rà mankany amin’ ny atidoha nohon’ ny fahateren’ ny lalan-drà.

2/Ny lafiny ara-tsakafo:

Misy tokoa ny karazan-tsakafo mandrisika ny fitadidiana ka ireo misy “Protides” toy ny hazandrano na maina na lena, ny hena, ny atody, ny fromazy, ny voamaina no manome azy betsaka.Tsara ny fampifandimbiasana ny fihinanana azy ireo matetika ary tsy hoe rehefa akaiky ny fotoam-panadinana vao miletra azy ireo tsy an-kijanona fa dia mandavan-taona. Tsy mampihodina ny fitadidiana loatra ny fotoana aorian’ ny sakafo sy ny fandevonan-kanina.Voalaza aza fa amin’ ny andro maraina vao avy mifoha iny no mampisokatra azy bebe kokoa.

9

3/ Ny fisorohana ny havizanana

Mety hitranga io mialoha na mandritra ny fotoam-panadinana.Ny havizanana mantsy dia mametra ny enti-mandinika sy ny entimitadidy.Mety hanararaotra hisovoka amin’ izany koa ny aretina mamizana toy ny tazo.Indrindra saika amin’ ny ririnina toy izao no fanatontosana fanadinana ka tsy vitsy no tsy mahazaka ny fiovan’ ny vanim-potoana ka mora andairan’ ny tazo. Tahaka ny taova rehetra ao anatin’ ny tena ihany koa ny lohantsika.Mba mila fotoana ialana sasatra ho fisorohana ny mety fahavizanany.

3/ Ny torimaso:

Ny tsy fahampian’ny torimaso dia tena mandreraka ny saina amambatana.Tsara anefa ny manamarika fa tsy ny habetsahan’ ny ora natoriana no fandrefesana azy.Ny atao hoe “matory am-pilaminana” angamba no sarobidy satria araka ny filazan’ireo mpitsabo dia mizara roa (02) ny torimaso.Eo ny torimaso ivelany na ny firendremana (Sommeil paradoxal) sy ny torimaso lalina (Sommeil profond).Misy ny olona no manana fotoana natoriana lavabe saingy tsy tafiditra tamin’ ny torimaso lalina mihitsy.Ny olona efa somary vokivoky taona aloha matetika no mazàna tratran’izy ity.

10

4/ Ny rivotra:

Ny tsy fahampian’ny rivotra madio dia manembantsembana ny fiainana ankapobeny.Voakasik’izany manokana ireo izay voan’ ny kambontenda na kambonorona.Sakanan’ ilay kambo ny lalan-drivotra ahafahana miaina ka mahatsiaro voaelingelina foana.Ny fanatonana dokotera ihany moa no mety raha sendra tratran’ izany.Saingy amin’ ny toerana izay mety ianarana rehetra dia tsara hatrany raha mba ifamezivezen’ ny rivotra fa tsy mihiboka loatra.Mamelona ny selan’ ny atidoha rahateo ny”Oxygène”.

FEHINY

Ho famehezana dia antenaina fa azontsika hisintonana an’ izay hamparoroka ny tadidy avokoa ireo teboka nambara ireo.Eny, tsy ho an’ ny mpianatra hanala fanadinana irery ihany izay irariana ho afaka soa aman-tsara daholo fa ho antsika rehetra tsy an-kanavaka izay mikatsaka fampivoaran-tena.Satria tokoa isan’ andro isan’andro io dia manadina antsika foana ny fiainana.Dia samia mahatadidy sy mahereza àry e!

Naina RAKOTOMALALA Hadihady nivoaka tao amin’ ny Bulletin RANITRA laharana faha 09

11

Fanamarihana:

Azonao ampitaina amin’ireo olona heverinao fa mila izany ity tahirin-kevitra ity. Raha tianao ny hanaraka ny Hadihady amin’ ny Bulletin RANITRA miaraka amin’ ny lohahevitra hafa dia tsindrio eto. Raha hifandray mivantana amin’ ny mpanoratra kosa dia tsidiho ny tranonkala:

http://www.naina.vitrineweb.com

12