Page 1 FARITANY AVARATRA ATSINANANA TAFO NANCY 6, rue

... ho anareo aho ary manao veloma anareo amin'ny. Anaran'i Jesosy Kristy, Lohan'ny Fiangonana. Ho aminareo anie ny Fiadanana! Pastora Donald GIZY,.
469KB taille 0 téléchargements 195 vues
FARITANY AVARATRA ATSINANANA TAFO NANCY 6, rue Chanzy 54000 NANCY

“Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’ izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao” (Jaona 3, 16-17).

Ry Havana,

“Ho aminareo anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo” (Romana 1, 7b). Fisaorana lehibe no atolotra an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina noho ny nanomezany antsika iny Noely 2015 iny. Nasehony antsika ny Voninahiny ka niaina Noelimpifaliana tokoa isika rehetra. Koa dia miarahaba antsika mianakavy tratr’izany vanian’andro lehibe izany. Ny irariana dia ny mba ho Noelim-piandoham-piainam-baovao ho antsika tokoa iny 25 desambra 2015 iny. Efa madiva hifarana moa ny taona 2015 ary hanomboka ny 2016. Isaorana ny Tompo noho ny nitondrany antsika tamin’ny taona 2015 iny. Ary angatahina Aminy ny hamenoany antsika amin’ny Fahasoavany sy ny Fahamarinany mandritra ny taona 2016. Isaorana koa isika tsirairay noho ny fandrosoantsika FPMA Nancy amin’ny fanarahana ny Tompo sy ny fiainantsika ny firahalahian’ny kristiana. Ny irariana dia ny mba ho fotoana handrosoantsika bebe kokoa hatrany ara-panahy anie ny taona 2016. “Fa samy nomena ny fahasoavana araka ny ohatry ny fanomezan’i Kristy avy isika rehetra … ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana amin’ny fiangonana, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy, mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy” (Efesiana 4, 7 sy 12-13). Koa dia ifonana sy angatahana ny famindram-ponareo re, tompoko, izay rehetra tsy tanteraka tamin’iny taona 2015 iny ary iangaviana anareo tsirairay ny mba hiara-misalahy hampandroso ny Fiangonana nametrahan’Andriamanitra antsika amin’iny taona 2016 iny. Manantitra ny fisaorana sy ny firarian-tsoa ho anareo aho ary manao veloma anareo amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy, Lohan’ny Fiangonana. Ho aminareo anie ny Fiadanana! Pastora Donald GIZY, Tél : 07 61 78 38 29