FIANGONAN' I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA
FJKM MONTROUGE PARIS (Association Cultuelle Loi 1905) Jumelée à la FJKM RASALAMA MARITIORA AMBOHIPOTSY, à la FJKM AMBONINAMPAMARINANA, à la FJKM AMBATOMARO, à la FJKM AMBOHIJAFY, à la FJKM ALASORA, à la FJKM AMBOHITANTELY, à la FJKM AMBOHITSIMELOKA, à la FJKM AMBATOMITSANGANA FANANTENANANA, à la FJKM AMBATOTOKANA FITIAVANA, à la FJKM ANTSAMPANDRANO FIDERANA, à la FJKM MANANDRIANA AVADRADRANO, à la FJKM IFALIMANJAKA FILADELFIA, à la FJKM ANKADIMANGA MANJAKANDRIANA
Au Temple de l'Eglise Réformée de France (E.R.F.) - 64, rue Maurice Arnoux - 92120 Montrouge
http://www.fjkm-montrouge.fr ALAHADY 8 APRILY 2012 MAMPIHAVANA NY MARINA NY TOMPO NITSANGANA TAMIN’NY MATY NY TOMPO “ Raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo. Ary dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin’Andriamanitra izahay, satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an’i Kristy;nefa raha tsy hatsangana ny maty,dia tsy mba natsangana Izy.”( 1 Korintiana 15.14-15) FEON’ORGA FIARAHABANA SY FANOMBOHANA Salamo 146.1-2 Haleloia ! Miderà an’i Jehovah,ry fanahiko.Hidera an’i Jehovah aho,raha mbola miaina koa ; eny,hankalaza an’Andriamanitro aho,raha mbola velona koa .Amena.
HIRA : 140 /1,3 VAVAKA FIDERANA FANAMBARANA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA – Sambatra ny mahitsy làlana,dia izay mandeha araka ny lalàn’ny Tompo.Sambatra izay mitandrina ny teni-vavolombelony ka mitady Azy amin’ny fo rehetra »
HIRA :142/1,2- TAFATSANGANA TOKOA ! VAVAKA FIFONANA
HIRA FF 12 / 1,2 - AM-PELATANANAO RY RAIKO ! TENY SOA MAHAFALY Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.Sambatra ny olona izay tsy isain’I Jehovah heloka,ary tsy misy fitaka ny fanahiny. Amena.
HIRA :501 / 4,5 - NY TAHOTRA DIA LEVONA ! FANAMBARANA NY FINOANA –Fanekem-pinoana N°1 HIRA FANEVA 25 TAONA –FANASINA FANILO! FEON’ORGA – STKM - SEKOLY ALAHADY FILAZAN-DRAHARAHAM-PIANGONANA
RAKITRA ALITARA –HIRA FF 26/1,2,3 – JESOSY REHAREHAKO ! Fanolorana – HIRA FF 4/1 – RY FANAHY O! MIDINA !
HIRA :212/1,2 – VELONA SY MAHERY ! VAVAKA SORATRA MASINA: Ezekiela 37.1-14;Marka 16.18;Romana 5.6-11 Ray masina ô, manamasina anay amin’ny fahamarinana, ny teninao no fahamarinana.Amena.
FANASAN’NY TOMPO
HIRA FF 19/1,2 – RAHA JEHOVAH NO MPIANDRY! VAVAKA FANOMBOHANA HIRA :ANTEMA 1 – MASINA,MASINA,MASINA ! TENY FANORENANA FAHATSIAROVANA HIRA:543/1 – MIHOBY NY FANAHIKO ! VAVAKA FANAMASINANA SY FANASANAFANDRAISANA (Feon’orga , Soratra Masina) VAVAKA FISAORANA
HIRA FF 29 /1,2 –TSY MBA MISY REHAREHAKO !
HIRA :128/1,3 – EFA VELONA NY TOMPO !
–RAKI-PISAORANA
TORITENY
HIRA: 146 / 1,3 - ANAO NY DERA ! TSODRANO HIRA FF 41 JESOA NO MPANAVOTRA !
FEON’ORGA - STKM
HIRA : 141/1,5 – EFA RESY IZAO !
Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amena . FEON’ORGA
140 - Haleloia, Haleloia! (1-3)
FF 26 - Jesosy reharehako
1. Haleloia, Haleloia! Miderà ny Tomponao. Manandrata feo hidera an'i Jeso Kristy 'zao. Fa nijaly mafy lzy, Sady voavono koa. Nefa indro, velona Izy Ao an-danitra tokoa.
1- Tsy misy reharehako Afa-tsy Ianao, Jesosy ô ! Anao ny hery, Anao ny haja Sy voninahitra Ny fasana sy ny fiainan-tsy hita Indro efa resinao Izao tontolo izao dia nahita Fa efa nitsangana Ianao
3. Haleloia, haleloia, Haja, hery, saotra anie No hatolotra ny Tompo, 'Zay Mpandresy lehibe; Hoderaina lalandava Fa mpanjaka manan-jo: Haleloia, haleloia, Hoderaina eram-po.
142 - Tafatsangana tokoa (1-2) 1. Tafatsangana tokoa, Haleloia! Jeso Kristy Tompo soa, Haleloia! Maty nefa velona, Haleloia! Mihirà ry olona, Haleloia! 2. Foana ny fasana, Haleloia! Indro, Jeso velona, Haleloia! Toky tsy mamitaka, Haleloia! Mihirà ry olona, Haleloia!
FF 12 - Am-pelatananao ry Raiko 1. Am-pelatanana ry Raiko Ny mombamomba ahy rehetra Iriko ianao no ho mpibaiko Ianao anatiko ao mitoetra Ho andrirahoko tokoa Hitarika ahy hatrany hatrany Andriafo tsy mandao Ianao Jesoa Ianao no hazavana tsy ho lany Am-pelatananao ihany Mandrakizay doria doria Na ny fiainako eto an-tany Na hatrary ankoatra ary. 2. Ny saiko am-pelatananao Ny foko efa tsy ahy intsony Fa voaova ho vaovao Dia lasanao ry Ray ambony Ny hasambarako ombieny Mifaly manana Anao Ilay fiainako mpanjeninjeny No voafehinao anatiko ao Am-pelatananao ihany Mandrakizay doria doria Na ny fiainako eto an-tany Na hatrary ankoatra ary.
501 - Namely mafy loatra (4-5) 4. Ny tahotra dia levona, Ariako ny henatra, Satria mandre ny feonao hoe: Voavelako ny helokao. 5. Endrey ! ny hafaliako Izay velona ao anatiko, Ka sahiko ny hanao hoe: Voavelanao ny heloko.
AN 1 - Masina, Masina Masina, Masina Jehovah Tompo! Feno ny voninahitrao Izao rehetra izao, ry Tompo ô! Amena.
543 - Mihoby ny fanahiko (1) 1. Mihoby ny fanahiko, Fa voavonjy izao; Ny ratran'ny Mpamonjiko, No misy aim-baovao. Fiv : Ny ran'i Jesosy, No tena avotro, Ka sambatra aho Sy tretrika am-po.
Sambatra aho, Jeso ô, Manana Anao izay Tompon’ny hery. Sambatra aho, Jeso ô, Miankina eo an-tratranao Ampy ahy ny fitiavanao Ampy ahy ny finoako Anao. Raketiko ao am-po lalandava Fa reharehako Ianao 2- Tsy misy nahitampamonjena Afa-tsy taminao. Nanaiky Ianao tsy mba noterena Hitondra aina vao. Ny tananao mahery natsotranao Mba hitantana Hahaizako mandeha sy mizotra Ny làla-marina. 3- Nasehonao ilay fahefana Manda sy aroko, Ka niala maina teo ilay satana Ilay fahavaloko Tsy misy maharombaka akory Izay eo an-tananao Izany indrindra no ilazako Fa reharehako Ianao
FF 4 - Ry Fanahy ô (1) 1. Ry Fanahy ô midina, Manatreha anay anio Ianao Mba hanoloranay, Ny vavakay mangina Vetsovetsom- po 'zay atolotray Vola sy ny harena Samy tsy anananay Fa indro ny vavakay mangina Fanoloran-tena ho Anao tokoa.
141 - Efa resy izao na dia ny fasana aza (1-5)
146 - Anao ny dera, ry Zanaky ny Ray (1-3)
1. Efa resy izao na dia ny fasana aza, Ka asandrato re ny hira sy ny feo, Jesosy nampikoy Lay rafy 'zay nandoza, Ry fahafatesana ô! Aiza moa ny herinao?
1. Anao ny dera, ry Zanaky ny Ray, Anao ny fandresena, ry Mpanjakanay. Ny fasana nivoha noho ny herinao, Ny Anaranao Tsitoha tsy voatana tao.
5. Kristy no fiainana: izay matahotra Azy Omeny tanjaka, fanahy, fo vaovao. Ka ataony velona, mpandresy tahaka Azy, Ry fahafatesana ô! Aiza moa ny herinao?
3. He, ravo aho: Izy no santatra Izaho koa hifoha, mba ho sambatra. Ny fandresen'i Jeso, lovako tokoa, Ny Anarany Tsitoha hanangana ahy koa. Anao ny dera, sns...
FF 19 - Raha Jehovah no Mpiandry (1-2) 1. Raha Jehovah no Mpiandry Tsy mba hisy mampahory Ahi-maitso no handriana Ny fanahy velombelona Eny, tsy hanahy akory Lala-marina itondrany Lalan-tsambatra (Sambatra ifaliana) 2. Ny aloky ny fasana aza Tsy ho tazantsika intsony Tsy hatahotra ny loza aho (Izy no mihazona ahy) Tsorakazo nitondrany Sy ny tehiny any ambony No manolotra ny toky Ny fanahiko (Toky ny fanahiko) Raha Jehovah no Mpiandry, sns... Fiv : Raha Jehovah no Mpiandry (Tsy mba hisy) Tsy mba misy 'zay mampahory Ahi-maitso no handriako (Ranon'aina hosotroiko) Ranon'aina hosotroiko Ny fanahiko hovelominy (Miasa izy) Miasa lzy tsy mba matory Lala-marina itondrany Tsy ho foiko
128 - Efa velona ny Tompo (1-3) 1. Efa velona ny Tompo Fa nitsangana tokoa; Resiny ny fahavalo, 'Lay mpihaza aina soa; :,: Velona ny Tomponao, Resiny ny rafinao. :,: 3. Eny, fa nitsangana ela Jeso Kristy Tomponao, Ka namoha vavahady Any mba hidiranao; :,: Velona ny Tomponao, Ka efa nialoha anao. :,:
FANEVA 25-TAONA FJKM MONTROUGE
Fanasina Fanilo 1- Ianareo no fanasin'ny tany (ouh ouh, Fa raha) Fa raha ny sira (no tonga) Tonga matsatso (inona) Inona indray no ny hahasir' azy FIV (x2): Tsiro fanasin'ny tany Jiro ho fahazavana Fanilo fanasina ihany hatrany amparan'ny tany 2- Ianareo no fahazavana (ouh ouh, Ka mba) Ka mba hanala (ny aizim-) Ny aizimpito (ka ho fa-) Ka ho fanilo maneran' izao tontolo izao
FF 29 - Tsy mba hisy reharehako 1. Tsy mba hisy reharehako Toy ny hazo nijalianao Jeso (Jesosy ô !) Eo amin'izay rehetra halehako Izany no voadiko Aminao He! izao rehetra izao ekeko (ry Jeso) Mora lo sy tsy maharitra tokoa (kanefa Jeso) Fa ny fitiavanao jereko Ry Jeso tsy niala tamiko 2. Tsy mba hisy fanorenako Raha ny eto an-tany eto Raiko ô Fa ny lanitrao no ho fonenako Izany no mba faniriako He! izao tontolo izao tazaniko (tazaniko) Rendrarendr'izay mamitaka avokoa (kanefa Ray ô !) Fa ny eo anilanao no mamiko ry Raiko Raiso aho ho Anao .
Fiv : Anao ny dera, ry Zanaky ny Ray, Anao ny fandresena, ry Mpanjakanay.
FF 41 - Jesoa no Mpanavotra O! iza, iza? Iza no hamonjy ahy Iza, iza no hamonjy ahy re ? Fa rerak'aho e Fa dia reraka Milonjy entam-pahotana Fahotana be O! manatona Manatona an'i Jesoa Fa Izy ihany Izy no hamonjy anao Fa noreseny Efa noreseny na Ny fasan'aza dia Ny fahafatesana ! Ny fasan'aza ! Efa noreseny izao Ny fahafatesana 'lay fahavalonao Ka mba mifalia ! Mifalia ianao Fa Jesoa Tompo no Mpanavotra anao Ry Jesoa Tompo ô ! Ry Jesosy Tompo ô ! Mba raiso re ny foko Ho anao izao ! Fa famonjena fanavotandehibe Sy avotr'aina koa No he atolotrao Fa novonoina ! Novonoina Ianao Hisolo voina Mba hisolo voina anay Fa noresenao Efa noresenao na Ny fasan'aza dia Ny fahafatesana Ny fasan'aza ! Efa noreseny izao Ny fahafatesana 'lay fahavalonao Ka mifaly re ! Ka mifaly izahay Fa Jesoa Tompo no Mpanavotra anay !
212 - Velona sy mahery (1-2) 1. Velona sy mahery, Ny Tenin'Andriamanitra Ka na dorana aza Dia tsy ho levona Ny Sekoly Alahady Dia mivelona aminy. 2. Sabatra roa lela maranitra, manindrona, Mampisaraka aina Sy fanahy, tonona; Fantany avokoa Ny am-po miafina.