Microsoft Word - Litorjia-12-Febroary-2012-Fjkm-Montrouge.docx

Fa ny mason'i Jehovah mijery eny tontolo eny, eran'ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy Aminy." ( 2 Tantara 16.9).
115KB taille 4 téléchargements 141 vues
FIANGONAN' I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA

FJKM MONTROUGE PARIS (Association Cultuelle Loi 1905) Jumelée à la FJKM RASALAMA MARITIORA AMBOHIPOTSY, à la FJKM AMBONINAMPAMARINANA, à la FJKM AMBATOMARO, à la FJKM AMBOHIJAFY, à la FJKM ALASORA, à la FJKM AMBOHITANTELY, à la FJKM AMBOHITSIMELOKA, à la FJKM AMBATOMITSANGANA FANANTENANANA, à la FJKM AMBATOTOKANA FITIAVANA, à la FJKM ANTSAMPANDRANO FIDERANA, à la FJKM MANANDRIANA AVADRADRANO, à la FJKM IFALIMANJAKA FILADELFIA, à la FJKM ANKADIMANGA MANJAKANDRIANA

Au Temple de l'Eglise Réformée de France (E.R.F.) - 64, rue Maurice Arnoux - 92120 Montrouge

http://www.fjkm-montrouge.fr ALAHADY 12 FEBROARY 2012

MAHITA NY ZAVATRA REHETRA NY TOMPO VAVOLOMBELONA VAVOLOMBELONA MAHATOKY AO AMIN’NY TOMPO “ Fa ny mason’i Jehovah mijery eny tontolo eny, eran’ny tany rehetra,mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy Aminy.” ( 2 Tantara 16.9)

FEON’ORGA FIARAHABANA SY FANOMBOHANA Salamo 146.1-2 Haleloia ! Miderà an’i Jehovah,ry fanahiko.Hidera an’i Jehovah aho,raha mbola miaina koa ; eny,hankalaza an’Andriamanitro aho,raha mbola velona koa .Amena. HIRA FF N°45 HIRA FIDERANA ! VAVAKA FIDERANA FANAMBARANA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA – Sambatra ny mahitsy làlana,dia izay mandeha araka ny lalàn’ny Tompo.Sambatra izay mitandrina ny tenivavolombelony ka mitady Azy amin’ny fo rehetra » HIRA :107/1,3- MANIRY MAFY AHO ! VAVAKA FIFONANA ( Rehefa mihato ny mpitarika ,dia mamaly ny fiangonana hoe : ( Tompo ô , henoy ny vavakay .)

HIRA : 412/1,3 – JEHOVAH TOMPO O ! TENY SOA MAHAFALY ( Mitsangana ny fiangonana ) Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.Sambatra ny olona izay tsy isain’I Jehovah heloka,ary tsy misy fitaka ny fanahiny. Amena. HIRA :499 / 1,2 INONA RE NO ATAKALOKO ! FANAMBARANA NY FINOANA –Fanekem-pinoana N°4 HIRA FANEVA -25 TAONA – FANASINA FANILO ! FEON’ORGA STKM SEKOLY ALAHADY FILAZAN-DRAHARAHAM-PIANGONANA HIRA FF 6 / 1,2 -NY TENINAO JEHOVAH RAY MAHERY ! VAVAKA SORATRA MASINA: Deoteronomia 30.11-14 ; Matio 10.26-31 ;Romana 10.5-10 Ray masina ô, manamasina anay amin’ny fahamarinana, ny teninao no fahamarinana.Amena. HIRA:268/1,3,4 –JESOSY NO MPIANDRY ! TORITENY – Pasteur RAKOTOMANANA Jean Roussel, FJKM –Mahamasina Atsimo. FEON’ORGA STKM RAKITRA –HIRA:427/ 1,2,3 –HO VAVOLOMBELONAO ! Fanolorana ny rakitra – HIRA :443/2-RAISO HO ANAO NY FOKO ! VAVAKA FISAORANA SY FANGATAHANA HIRA : 487 / 1,2 – FANAVAOZANA IZAY MAHAGAGA TOKOA ! TSODRANO HIRA : ANTEMA 16 – INDRO NY ARON’NY MANDANAO ! Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amena .

FEON’ORGA

FF 45 - Hira fiderana

412 - Jehovah Tompo ô! (1-3)

FF 6 - Ny teninao (1-2)

427 - Ho vavolombelonao (1-2-3)

1. Hira fiderana ho Anao ry Ray Tsy afaka ato am-bavako mandrakizay Hira mampifaly, mampitony jaly Mampiravoravo fo Ny talenta izay efa nomenao ahy Hiderako Anao n'aiza misy ahy Mba hamelon'aina, hampitony saina Hampiray ny miaina

1. Jehovah Tompo ô! Indreto izahay Mifona aminao ; Fa be ny helokay :

1. Ny teninao Jehovah Ray mahery Izay nomenao anay Dia teny tsara sady mampahery Ka mampifaly ny fonay

1. Ho vavolombelonao N'aiza n'aiza no aleha Izay no faniriana vao Sy hataoko rehareha. Ka raha asa no atao Inty tokoa fa vonona (ho vonona aho) Tsy hiala na handao, Tompo ô, iraho aho!

Hira tsotra ihany, nefa na dia izany Ho Anao tokoa no hikaloako Raiso re, ry Tompo, F'io no porofompitiavako Anao

2. Hira fiderana ho Anao ry Ray Tsy afaka ato am-bavako mandrakizay Hira mampifaly, mampitony jaly Mampiravoravo fo Ny talenta izay efa nomenao ahy Hiderako Anao n'aiza misy ahy Mba hamelon'aina, hampitony saina Hampiray ny miaina Hira avy ato am-poko, indro fa vetsoiko Ho Anao ry Raiko izay antsoiko Hira tena mamy, manambara hatrany Fa tena tiako Ianao

3. Mpanota izahay, Mba mamelà anay; Maloto ny fonay, Sasao ho voadio : Henoy izao, sns... Fiv : Henoy izao, ry Ray ! Henoy ankehitrio, Henoy ny vavakay, Henoy ka mba valio. Ry Andriamanitray ! Mijere ! Jeso Kristy Tomponay ! Mamonje !

499 - Inona, re, no atakaloko (1-2) 1. Inona, re, no atakaloko, An'i Jesosy Izay mpisoloko? Ny zavatra izay ho simba va sy mora levona. Raha mbola hazoniko ny To, Ka tsy maty ny jiro ao ampo, Jesosy tsy soloako, na inona nainona. 2. Indro, Jesosy no fiainako, Izy no manda fiarovako; Izaho efa maty, nefa novelominy indray, Ka na dia mahantra aza aty, Ka tsy mbola nafindra ho ary, Jesosy no anjarako, ka ampy ahy re, izay.

107 - Maniry mafy aho (1-3) 1. Maniry mafy aho, ry Jeso Tompo ô, Hialoka eo ambany hazo fijalianao. Tsy misy toeran-kafa re 'zay tena mamiko; Ny hazo fijalianao no fiarovako. 3. Am-pototry ny hazo izay nijalianao No itoerako ho hazavain'ny tavanao, Ataoko fatiatoka ny zavamora lo, Ny hazo-fijalianao no tombon-dahiko.

443 - Raiso ho Anao ny foko (2) 2. Raiso ho Anao ny foko, Ry Jesosy Tompo ô! Tsy mba vola, fa ny foko, No atolotro Anao: :,: Raiso, Tompo! Raiso, Tompo! Fa fanati-tsitrapo. :,:

FANEVA 25-TAONA FJKM MONTROUGE

Fanasina Fanilo 1- Ianareo no fanasin'ny tany (ouh ouh, Fa raha) Fa raha ny sira (no tonga) Tonga matsatso (inona) Inona indray no ny hahasir' azy FIV (x2): Tsiro fanasin'ny tany Jiro ho fahazavana Fanilo fanasina ihany hatrany amparan'ny tany 2- Ianareo no fahazavana (ouh ouh, Ka mba) Ka mba hanala (ny aizim-) Ny aizimpito (ka ho fa-) Ka ho fanilo maneran' izao tontolo izao

2. Soraty re ho velona ao anaty Hitondra aina vaovao Hitana ny finoana tsy ho faty Ka hankato ny didinao Fiv (x2) : Ny teninao Mofon'aina sakafo tokoa Ny teninao Ranon'aina satria fototsoa Ny teninao no teny tsy mba maty Maharitra mandrakizay

268 - Jesosy no Mpiandry ny Fiangonanay (1-3-4) 1. Jesosy no Mpiandry Ny Fiangonanay Ny feon'Izy irery No feo fantatray Ka tsy mba vala maro Ny Fiangonanay Iray tsy hay zaraina Tapahin-Tompo iray 3. Tabain'ny hevi-diso Kanefa mbola iray Ny saina tsy mitovy Tsy mahazara anay Fisoko maromaro Kanefa vala iray Ny Tompo no mpiaro Ny Fiangonanay 4. Ny teny samy hafa Ny fomba tsy miray Tsy misy maharava Ny fikambananay Ny fanenjehana aza Vao mainka mampiray Sy mahatsara laza Ny fiangonanay

268 - Jesosy no Mpiandry ny Fiangonanay (1-3-4) 1. Jesosy no Mpiandry Ny Fiangonanay Ny feon'Izy irery No feo fantatray Ka tsy mba vala maro Ny Fiangonanay Iray tsy hay zaraina Tapahin-Tompo iray 3. Tabain'ny hevi-diso Kanefa mbola iray Ny saina tsy mitovy Tsy mahazara anay Fisoko maromaro Kanefa vala iray Ny Tompo no mpiaro Ny Fiangonanay 4. Ny teny samy hafa Ny fomba tsy miray Tsy misy maharava Ny fikambananay Ny fanenjehana aza Vao mainka mampiray Sy mahatsara laza Ny fiangonanay

2. Ho vaolombelonao Eran-tany raha ilaina Toy ny loharano vao Izay mamelombelona aina. Hanasoa ny tany hay Efa mihamaina taho (mihamaina) Tompo ô, inty indray Alefaso, vonona aho. 3. Ho vavolombelonao Ao anaty fitsapana, Ka hijoro ho Anao, Na fefena, na raràna, Tsy hiahotra ny dia : Fa Hianao naniraka ahy (naniraka ahy) Tsy hiahotra aho satria Amiko Hianao Mpitahy.

487 - Fanavaozan'izay mahagaga tokoa (1-2) 1. Fanavaozan'izay mahagaga tokoa Nomen'i Jeso ahy re, Fahazavan'ny fanahy izay mahafa po Nomen'i Jeso ahy re, 2. Ny fiainako be siasia taloha Voaova mihitsy izao Eny, ny fahotako, izay nahavoa Voasasany koa izao. Hatramin'izao, sns... Fiv : :,:Hatramin'izao dia endrey :,: Ny fitepon'ny foko izay ravo tokoa Onenan'ny Tompo Jeso.

AN 16 - Isaoranay Jehovah Tomponay Isaoranay Jehovah Tomponay, isaoranay Andriamanitray; fa be fitia ny Tomponay, ny Tompo tia anay, Mpanjaka tia, Mpamindra fo. Deraina Hianao. Isaoranay izao, fa be fiantra Hianao, Mpanjaka be fitia. Isaoranay ny Tomponay. Ny tany aty mandray fitahiana; ny lanitra ary mamoaka ny soa, ka misy tokoa ny vokatra tsara, Jehovah Tsitoha manambina anay. Deraina ny Anaranao Andriamanitray. He! faly izahay izao manao ny hiranay! Isaoranay Andriananaharinay Mpanjaka be fitia.