Microsoft Word - Andeha hitady an'i Jesoa.doc .fr

Andeha hitady an'i Jesoa (an'i Jesoa). Kristy no tsy mba mivadika hatram'izay,. Izy irery no azo itokiana. Omaly, anio, mandrakizay! Ny teniny mahasoa, fototry ...
12KB taille 6 téléchargements 190 vues
ANDEHA HITADY AN’I JESOA (Bà Gasy) (Liva RAKOTONDRATSIMBA)

1- ‘Reo nantenaina dia nitodi-doha, ‘Zay nandrandraina nandao avokoa (nandao), Izany ihany ny eto an-tany, Isan’andininy(Bis): Miovaov’ hatrany hatrany(hatrany hatrany) . Andeha hitady an’i Jesoa (an’i Jesoa) Kristy no tsy mba mivadika hatram’izay, Izy irery no azo itokiana. Omaly, anio, mandrakizay! Ny teniny mahasoa, fototry ny fifaliana. Ka mahazo azy avokoa (avokoa), Izay miantso (na koa), Na koa mangataka ao am-po mangina.

2- Misy ary maro ny fahalemena , Ho an’ireo mpivavaka mila famonjena (_na mila) ‘Zany ve no ifanaovan-dratsy,

Isan’andininy(Bis):

Toy ny mpanompo lany vatsy

Andeha hitady an’i Jesoa (an’i Jesoa)

Fa ireo mpino izay tena tia fahendrena (dia)

‘Lay nandresy ny hazo fijaliana.

Kristy ihany no jerena.

Izy aza nampahoriana,Notsaraina, noharatsiana. Bis Nefa mbola namindra fo (indrafo) Izay nandàtsa (ary koa), Nanala ny ainy navelany avokoa .